airtel

Fandriampahalemana

31-août-2023

TAMPONALA SOAVINANDRIANA

Mpangalatra taolam-paty 13 no indray tratra

Sample post image

Mirongatra ny vaky fasana any amin’iny faritra Itasy iny. Tompom-pasana maro no efa nahazoana fitarainana antony

31-août-2023

nanosika ny mpitandro ny filaminana hihetsika. Vokany, taolam-balo 20 kg, basy vita gasy iray ary olona miisa 7 no indray nosamborina tao Tamponala, Trondromainty, fokontanin’i Miaramasoandro, Kaominina Tamponala distrikan’i Soavinandriana tamin’ity herinandro ity. Angombaovao avy amin'ny olona tsara sitrapo sy fahaiza-manao no nahazoan'ireo tafika izao vokatra izao. Raha araka ny fantatra dia tao an-tranon’ny iray tamin'izy 7, ireo zavatra ireo raha mpiray tsikombakomba kosa ny namanyhafa. Nampandre ny zandarimaria izay miahy ny toerana ireo tafika mpampandry tany taorian’izany ka nidina teny an-toerana ny zandary miisa 3 avy amin'ny zana-tobim-paritra Ambatoasana nanao ny famotorana.Tafakatra 13 ireo olona voasambotra noho izany ka notanana vonjimaika hatao fanadihadiana ary hatolotra ny fitsarana, anio Alakamisy izy ireo hoy ny vaovao. Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy 13 tratra miaraka amin’ny mpitandro ny filaminana !
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Lehilahy iray 75 taona no voasambotry

Card image cap
06-mars-2026

Ilay mpidaroka indray no nitory, hiakatra fitsaràna anio

Card image cap
06-mars-2026

Notanterahina ny alin’ny 02 martsa teo

Card image cap
05-mars-2026

fa tsy nety nanala zaza

Card image cap
05-mars-2026

Nanao hetsika manokana ny zandarimaria

Card image cap