airtel

Fandriampahalemana

22-juin-2026

Tariby an'ny Jirama – ITASY

In-droa nitranga halatra tao anatin'ny roa volana

Sample post image

Misesisesy no andrenesana halatra

22-juin-2026

tariby an'ny orinasa Jirama amin'iny Distrika Miarinarivo Faritra Itasy iny. Tato anatin'ny roa volana izao dia tranga roa no heno. Taribin-jiro mitondra herinaratra mavesatra mirefy 1000 metatra no nisy nangalatra tao Soamahamanina araka ny fampahafantarana nataon'ny Jirama ny sabotsy teo. Niteraka fahatapahan'ny famatsiana herinaratra tamin'iny faritra Arivonimamo II - Soamahamanina - Mandiavato - Ambatomanjaka - Miarinarivo - Manazary - Analavory - Ampefy - Soavinandriana hatrany Mananasy iny izany. Nametraka fitoriana an'olon-tsy fantatra eny anivon'ny manam-pahefana ny orinasa Jirama mba hahafahana manokatra ny fanadihadiana. Vao ny fiandohan'ny volana Aprily 2026 anefa no nisy mpiasa roalahy mitazona andraikitra eo anivon'ny Jirama ao Miarinarivo no nidoboka am-ponja vonjimaika, voarohirohy tamin'ny halatra taribian'ny orinasa. Niainga tamin'ny fahitana tariby mihorongorona tao anaty fiara Renault Express nosakanan'ny zandary manao Barazy teo Soamahamanina RN1, no nahamailo ny zandary satria ny orinasa Jirama ihany no manana ny karazana tariby toy io hita io. Fantatra fa mpiasa roa mitazona andraikitra eo anivon'ny orinasa ao Miarinarivo Itasy no nanome "Bon de livraison" hosoka hamoahana ireo entana ireo ao amin'ny toeram-piasana sy hitondrana azy hiakatra aty Antananarivo.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

22-juil-2026

21 mianadahy no fantatra fa nalefa

Card image cap
21-juil-2026

tanana amin'ny fanjakana ny RALI

Card image cap