Raha araka ny fantatra dia tovolahikely 12 taona no niharan'ny asa ratsin’izy ireo. Nifanehitra tamin'izy roalahy voalaza etsy ambony teny an-dalana moa ity farany ka norahonany. Ny iray naka ny zavatra tao anaty paosiny ary ny iray kosa nandrahona ny mba hanomezana ny finday teny an-tanany. Niantso vonjy ilay tovolahy kely niharam-boina nandritra izany. Tsikaritr'ireo Polisy vehivavy BFP niasa tsy lavitra teo izany raikitra ny fifanenjehana ary noraisim-potsiny izy ireo. Izy roalahy voasambotra ireto dia isan'irony mpisoloky amin'ny resaka finday irony.Ny fanaon'izy ireo indray mandritra izany dia mody mivarotra finday ka rehefa raikitra ny fifampivarotana ary roboka ilay olona dia mody harirarirany ka hataony izay tsy maharaikitra azy. Mandritra izany no hanakalozan’izy ireo baoritra mitovy habe amin'ilay finday ka lasany ny vola nefa ilay finday miova baoritra. Natolotra ny Polisin'ny PMPM izy ireo hanohizana fanadihadiana.
Pati
Leo sy tofoka tanteraka amin’izao fitondrana mijoro izao ihany koa ny fikambanana Albinos Madagascar tarihin’ny
Henjana ihany ity fitiavana te-hanan-karena ity. Misy manaotao foana mihitsy ny sasany toy ireo mpisipa roa tany
Mihamahazo vahana tato ho ato ny halatra taolam-paty amin’ny alalan’ny vaky fasana. Ireo kaominina ambanivohitra
Mpivady no niray tetika namorona fakàna an-keriny tany Ankazobe ny 22 septambra teo, raha ny fampitam-baovao voaray.