airtel

Fandriampahalemana

02-févr-2024

TOLIARA

Mitohy indray ny halatra voamaso miharo vono olona

Sample post image

Vehivavy iray manodidina ny 30 taona omaly Alakamisy 01 Febroary no hita

02-févr-2024

faty tao amin'ny fokontany Antaravay Salimo, distrikan’i Toliara II. Olona sendra nandalo no nahare feon-dalitra sy fofona hafahafa ka nampandre avy hatrany ireo tompon’andraikitra sy ny mpitandro ny filaminana. Raha araka ny fantatra dia noesorin'ireo olon-dratsy ny maso roan’ilay razana. Mbola nahitana tsatoka zava-maranitra ihany koa teo amin’ny tratrany. Raha araka ny fanazavan’ireo fianakaviana moa dia hivoaka hiantsena no nivoahan’ity vehivavy ity tao an-tokantranony kinanjo tsy niverina intsony izy. Tombanana ho teny an-dalana izy araka izany no nifanena tamin’ireo olon-dratsy. Na izany aza tsy nahitana taratra kosa ny razana fa voaolana raha mbola nahitana kojakojam-behivavy maro samihafa teny aminy. Efa misokatra moa ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.


Mihamafy indray izany ny trangana halatra voamaso raha efa somary nangingina tato ho ato. Tany aloha raha raha ireo varira no tena lasibatra dia amin’izao tsy mifidy hasiana ireo olon-dratsy. Mbola baraingo hatramin’izao ny hampiasana azy io hoe atao inona marina ? Hataon’ny dahalo ody gasy hanaovana masobe tsy mahita ve ? Vao tapa-bolana lasa no nisy andiana mpangalatra voamaso tratra, ka nilaza fa 100 ka hatramin’ny 120 tapitrisa Ar ny roa, saingy mbola petra-kevitra aloha no betsaka amin’ny mety hampiasana azy !
Pati
Legende : Ity ilay razana hita !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap