airtel

Fandriampahalemana

10-janv-2024

Trafikana rongony

Malagasy 5 voasambotra any Maorisy

Sample post image

Teratany Malagasy miisa 6 sy Maorisianina 4 no voasambotra niaraka tamin’ny rongony

10-janv-2024

mahery vaika 333kg sy lasantsy tamin’ny bidon maro be ny takarivan’ny alahady 7 janoary 2024 tao anatin’ny hetsika manokana nataon’ny NCG (National Coast Guard) na ny mpiandry sisin-tany atsy Maorisy. Notsinjaraina tamin’ny fonosana lehibe miisa 24 ireo ireo fonosana zava-mahadomelina. Voalaza fa efa nahazo loharanom-baovao nialoha mikasika ny fikasana hanondrana rongony ny polisy, ka nanao fanarahana an’ireo mpandray entana Maorisianina miisa 4 sy ireo Malagasy voalaza fa nitondra ny entana. Nandeha ny fitsirihana sy fanaraha-maso tany amin’ny fari-dranomasin’i Pointe-aux-Canoniers, ka rehefa niroso tamin’ny fisamborana, dia tsy nanaiky mora ireo mpanao trafika fa nanohitra. Vokany, naratra nandritra izany ny Commando miisa 3 avy amin’ny mpisambotra. Voatazona ary hanaovana fanadihadiana ao Maurice izy 10 lahy tratra tamin’ny trafika ireo. Henjana ny lalàna sy fanenjehana momba ny trafikana zava-mahadomelina ao amin’ny Nosy Maorisy, ary tsy vao sambany no nisy teratany avy amin’ny firenena hafa voasambotra sy migadra any ka anisany ireo mpanao trafika Malagasy. Malalaka ny fandraharahana ary mivelatra ny famoron’asa fa sarotiny dia sarotiny kosa amin’ny fiarovana ny fireneny, ka mahatratra am-polo taonany ny figadrana ho an’ireo mpanao trafikana zava-mahadomelina. Sarotiny ary hentitra amin’ny fiarovana ny fireneny ny olona, fa ny antsika toa ny miditra baranahiny raha tarafina tamin’ny fidiran’ny roro sy ireo zava-doza samihafa, ny mivoaka ihany koa mibanaka hatrany raha tarafina amin’ny trafikana harem-pirenena raha tsy hilaza afatsy ny boaderozy tany aloha, ny trafikana volamena ranolava, vatosoa, ny fivoahana antsokosoko makany ivelany,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap