airtel

Fandriampahalemana

22-avril-2026

TRANGA HAFAHAFA

Nisy naka ny nofony tamin'ny fen'ilay omby velona

Sample post image

Omby mitsangana niraoka ahitra teo

22-avril-2026

amin'ny sisin'ny seranam-piaramanidina tao Mananara Avaratra no fantatra fa nisy naka ny nofon-kena teo amin'ny feny sy takibany afak'omaly Alatsinainy 20 Aprily. Tsy fantatra moa na inona ny tanjon'ireo nisompatra an'ity omby ity na sotasota fotsiny tsotra izao fa efa nametraka fitarainana teny amin'ny mpitandro filaminana ny tompony . Sambany no nahitàna tranga toy izao tany Mananara Avaratra hoy ny Sefom-pokontany teo amin'ny toerana nisehoan'ilay tranga. Na velona aza ity omby ity dia fantatra fa tsy maintsy hitondra takaitra noho ilay feribe eo amin'ny vatany.
Nangonin'i Pati
Légende : Ity ilay omby !
 

Dans la même rubrique

24-avril-2026

Polisim-pirenena izy enin-dahy

Card image cap
23-avril-2026

Mamono olona hatrany ny moto

Card image cap