airtel

Fandriampahalemana

04-févr-2025

Tranga mampiahiahy

Mpifankatia niaraka hita faty

Sample post image

Tovovavy iray indray omaly Alatsinainy 03 Feboary tokony ho tamin'ny 12 ora sasany atoandro no

04-févr-2025

hita faty tao Mantanito fokotany Avaradrova any Morondava, Faritra Menabe. Tokony ho 16 taona eo ho eo ity tovovavy ity ary kilasy faha 9 ao amin'ny CEG Ankisirasira, raha araka ny vaovao azo. Sakaizana tovolahy iray efa 26 taona izy io, raha ny fantatra izay hita faty omaly Alatsinainy tokony ho tamin’ny 08 ora maraina ihany koa. Tsy nifanalavitra ny toerana nahitana ireo razana roa ireo hoy ny vaovao. Efa tonga teny an-toerana naka ny razana moa ny renin'ity tovovavy ity sy ny fianakaviany raha efa nalain'ny havany koa ny vatana mangatsikan'ilay tovolahy hita tamin'ny maraina. Mbola tsy fantatra mazava moa hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay ny antony nahafatesan’izy roa ireto. Ao mantsy ireo nilaza fa niara-namono tena izy ireo. Misy koa ny miteny fa maty an-drano na nisy namono…Ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana ihany anefa no tena hanamarina izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fotoana nakana ny razana !
 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

40 eo lasan’ny dahalo

Card image cap
29-avril-2026

nihampatra omaly maraina

Card image cap
29-avril-2026

Matin’ny zandary ao amin’ny zanatobim-paritra

Card image cap
28-avril-2026

Mangataka "postes budgétaires" sy

Card image cap
28-avril-2026

Mety hitana ny sain’ny maro ny

Card image cap