airtel

Fandriampahalemana

23-janv-2024

Tsiroanomandidy

Raikitra ihany koa ny fakana an-keriny zaza varira

Sample post image

Tsy mijanona any amin’ny faritra Atsimo intsony fa efa tonga any amin’ny

23-janv-2024

Faritra Bongolava ihany koa amin’izao ny fakana an-keriny zaza varira. Zazalahy kely varitra 10 taona no nisy naka an-keriny Fokontany sy kaominina ambanivohitr’i Tsinjoarivo Imanga ihany,Distrikan'i Tsiroanomandidy, Faritra bongolava ny sasakalin’ny Alahady 21 Janoary Janoary teo tokony ho tamin’ny 00 ora sy 30 minitra nifoha omaly Alatsinainy 22 Janoary. I Vazaha no solon' anarana nampitondraina io zaza io raha araka ny fampitam-baovao voaray avy amin'ny Fikambanana Albinos Madagascar. Efa nandray ny andraikiny moa ireo tompon'andraikitra voakasik’izany any an-toerana mba hahafahana mamonjy ity zaza ity ary efa mifandray tsy tapaka amin'izy ireo ny avy ao amin'ny fikambanana Albinos. Hatramin’ny omaly hariva fotoana nanoratanay moa dia tsy mbola hita ilay zaza koa andrasana izay mety ho tohiny.
Pati
Legende :Miady mafy ho an’ny zaza varira tahaka ireto amin’ny sary ireto ny Fikambanana Albinos Madagascar !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap