airtel

Fandriampahalemana

24-mars-2026

Tsy fandriampahalemana

anaty oniversite

Sample post image

Misy andian-jatovo hafahafa ao Ankatso

24-mars-2026

Misy andian-jatovo na hoe adolantsento hafahafa mihaodihaody ao anatin’ny faritry ny oniversiten’Antananarivo, ao Ankatso, raha ny fitarainan’ireo tovovavy mpianatra nampita vaovao raha hamonjy fodiana ny harivan’ny omaly. Efa ela no nampanenoin’ireo mpianatra lakolosy mikasika ity tsy fandriampahalemana anaty oniversite ity. Raha ny fitantaran’ireo tovovavy miisa 2 mpianatra nilaza ho lasibatry ny arakaraka na «harcèlement» nataon’ireto andian-jatovo ireto dia avy nianatra tao amin’ny APF 2, toeram-pianarana somary lavidavitry ny trano kintana, izy ireo, no narahana zatovo 3 lahy manodidina ny 16 hatramin’ny 19 taona teo. Nanao fihetsika tena tsy mahalala fomba izy 3 lahy ireto. Mananihany ireto tovovavy ireto izy ireo rehefa miantso an-telefaonina ireo tovovavy ka tsy misy mandray. Tsy nihataka mihitsy ireto zatovo ireto raha tsy efa nisy namaly ny antson’ny iray tamin’ireto tovovavy ireto, izany hoe, raha tsy efa tafakatra taty amin’ny trano kintana taty. Isan’ny sosokevitr’ireo mpianatra moa ny mba tokony hanivanana ireo miditra sy mivoaka ny faritry ny oniversite mba tsy hampihorohoro ireo mpianatra, raha ny fampitam-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique