Nisy nanafika teny an-dalana ny Chef CSB Andranolava, Distrika Mampikony, raha hiazo an'i Mahajanga niaraka tamin'ny Moto, ny alin'ny Alarobia teo. Hamangy fianakaviana marary ao Mahajanga izy no izao nisy nanakana izao, izy efa hiditra an'i Mahajanga. Nisy tady nihenjana teo amin'ny lalana ka nisaringotra ary nampianjera azy. Izy lavo no nisy olondratsy nanindrona tamin'ny antsy, isany voa mafy ny lohaliny. Norobain'ny jiolahy ny zavatra rehetra teny aminy ankoatra ny moto. Tsaboina ao amin'ny Hopitaly Androva Mahajanga moa ilay Chef CSB Andranolava ankehitriny ary mila fandidiana maika araka ny loharanom-baovao.
Jean D.
Tsaboina ao amin'ny Hopitaly Androva Mahajanga ilay Chef CSB Andranolava