airtel

Fandriampahalemana

18-août-2025

Varira nalaina an-keriny tao Manakara

Efa eo anilan'ny fianakaviany i Tinakely

Sample post image

Avotra soa amantsara tamin'ny faran'ny herinandro teo i Tinakely,

18-août-2025

ilay zazavavy kely varira vao 4 taona monja nisy naka an-keriny tao Marofinaritra, distrikan'i Mananjary ny 06 Aogositra lasa teo, tokony ho tamin'ny 12 ora sy sasany alina. Vokatry ny ezaka nataon'ny mpitandro ny filaminana no nahafahana nanavotra ilay tsy manan-tsiny. Tao Ambalahosy Nord no sarona ireo jiolahy miisa 6 tompon'antoka izay fantatra fa hiakatra Fitsarana amin'ity herinandro vaovao ity. Tazomina ao Mananjary ireo olon-drasy hatao fanadihadihana hatramin'ny omaly nanoratanay ny vaovao. Mampahatsiahy hatrany moa ny Filohan'ny fikambanana miahy ireo olona varira fa tsy misy vatosoa na safira izany ao anatin'ny mason'ireny olona varira ireny ka tsy tokony hampijaliana tahaka izao izy ireny.
Pati
Légende : Ilay Zaza varira efa eo an-trotroan-dReniny! Ireo jiolahy tompon'antoka !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

vaovao, manamboninahitra 14 niakatra galona

Card image cap
30-avril-2026

Nihena 4 indray ireo mpangarom-paosy

Card image cap
29-avril-2026

40 eo lasan’ny dahalo

Card image cap
29-avril-2026

nihampatra omaly maraina

Card image cap
29-avril-2026

Matin’ny zandary ao amin’ny zanatobim-paritra

Card image cap