airtel

Fandriampahalemana

23-janv-2024

VEHIVAVY NANENDAKA TENY VASSACOS

Nilaza fa noteren’ny tsy fisiana, nalefa eny Antanimora

Sample post image

Nalefa eny Antanimora omaly Alatsinainy 22 Janoary rehefa avy nanaovana fanadihadiana

23-janv-2024

ilay Renim-pianakaviana iray manodidina ny 37 taona eo ho eo tratra nanendaka teny Vassacos tamin’ny Sabotsy 20 Janoary tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro. Raha araka ny fantatra dia vehivavy mitovy aminy ihany avy nirava niasa sendra niantso olona an-telefaonina teny andalana no nendahiny. Niantso vonjy ilay voendaka ary tsy lavitra teo ny polisy ny PPA 4 izay nahare avy hatrany izany. Nifanenjehana io Renim-pianakaviana io noho izany ka tratra teny aminy ilay finday. Manambady izy raha araka ny fantatra ary manan-janaka roa. Araka ny filazany dia noho ny tsy fisiana no nanosika azy hanendaka izay vahaolana hany tokana hitany nefa tena nitondra azy any anaty fahaverezana tanteraka. Natolotra ny fampanoavana omaly ny anaovavy ary naiditra am-ponja vonjimaika.
Pati
Legende : Ireo vady aman-janak’ity Renim-pianakaviana ity no mampalahelo vokatry ny hadalany !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap