airtel

Fandriampahalemana

02-févr-2024

Vehivavy nentin’ny jiolahy an-keriny

Faty tapa-doha sisa hita 2 taona aty aoriana

Sample post image

Izay vao hita ny marina mikasika ilay raharaha fanafihana mpivarotra nitranga tao

02-févr-2024

Tanamalaza Ambatolampy, lalam-pirenena fahafito tamin’ny volana Janoary taona 2022. Faty notapahan-doha no sady nalevina toy ny fatin’aliaka sanatria ny vava izany hoe : tsy nofonosina fa navarina an-tany no hitan’ireo fianakaviany. Olona sendra hanao trano ka niady fototra no nahita ny razana, 2 kilometatra miala ny tanana misy azy ireo. Ny akanjon’ilay Ramatoa nanaovany sisa no nahafantarana azy. Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny volana Janoary taona 2022 no nitrangan’ity tantara mampalahelo ity. Mpivarotra grosista iray no nisy nanafika ka mpivady no tratran’ireo dahalo tao an-trano. Nalain’ireo dahalo nandritra izany ny vola rehetra tao amin’ilay tokantrano ka 1 hetsy Ar sisa no tavela tao amin’izy ireo, vola izay saika hanaovana « versement ». Mbola tsy afa-po tamin’izany ireo dahalo raha araka ny loharanom-baovao azo. Mbola nofatorany teo amin’ny fandriana mantsy ilay Raim-pianakaviana sy ny zanany lahikely no sady mbola notampenany ihany koa ny vavan’izy mianaka. Tsy afaka niantso vonjeo izy mianaka nandritra izany ka ny maraina vao nisy nahita fa nisy namaky ny tranon’izy ireo. Ilay Ramatoa kosa teo an-daniny nentin’ireo jiolahy nitsoaka ka novonoiny ary izao tamin’ny afak’omaly 31 Janoary faran’ny volana izao vao hita ny vatana mangatsiakany. Efa nalevin’ny fianakaviana moa ireo taolana sisa tavela.
Pati
Legende : Tahaka izao ilay toerana nahitana ilay razana !
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Voatifitra teo amin'ny fony ilay tovolahy 26 taona, mpanamboatra trano, teny Antalamohitra,

Card image cap
15-mai-2024

Mirongatra ny halatra entan’olona any amin’ny trano fandraisam-bahiny na hotely ao Fenerive Est Toamasina.

Card image cap
14-mai-2024

Navotsotry ny zandary ilay Sinoa voalaza fa nitifitra basy nahafaty ilay tovolahy 26 taona zaodahiny teny

Card image cap
14-mai-2024

Vao avy nivoaka ny fonja ny 4 aprily 2024 lasa teo noho ny raharaha fanolanana ny taona 2022 ny lehilahy iray 36

Card image cap