airtel

Fandriampahalemana

24-févr-2026

VOHIBATO SY AMBILOBE

Olona 4 voasambotra tamin'ny

Sample post image

raharaha fitazonana sy fivarotana rongony

24-févr-2026

Miezaka mamongotra ireo mpivarotra sy mpitazona rongony ny Polisim-pirenena ho fitandroana ny fandriampahalemana. Nandritra ny fisafoana nataon’ny polisy ny harivan'ny 21 febroary teo, tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Masoabe, distrikan’i Vohibato dia olona miisa roa no voasambotry ny Polisim-pirenena ka nahitàna fonosana rongony efa vonona ho amidy tany amin’izy ireo nandritra ny fisavàna. Tao Ambilobe indray, nandritra ny sakana teo amin’ny tetezan’i Mahavavy dia olona miisa roa nandeha moto ihany koa no tratran’ny Polisim-pirenena nitondra rongony rehefa nosavaina. Samy notanana natao andrimaso izy ireo hanaovana fanadihadiana. Tsiahivina moa fa mampiditra am-ponja hatramin'ny 2 taona ny fivarotana sy fitazonana zava-mahadomelona raha kely miankina amin'ny vesatra hiampangana ilay olona, raha araka ny fanazavana nomen'ny mpahay lalana iray.
Pati
Légende : Ireo jiolahy sy jiovavy tratra !
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

ho mpandray ny fanasan'i Tompo

Card image cap
05-juin-2026

sady novonoin'ny sipany

Card image cap
04-juin-2026

Efa ho 80 ny tranga, 30 mahery maty tamin’ny fomba feno habibiana

Card image cap
04-juin-2026

Paikady hataon'ny sasany tsy hahamari-toerana ny fanjakana io

Card image cap