Raha araka ny fantatra dia mbola nanafatra sakafo tao amin’ny Ray aman-dReniny Ratompokovavy ny harivariva. Taorian’izay dia nody tany an-tokantranony izy ary tsy nandrenesam-peo intsony. Gaga ireo mpiara-monina aminy ny Talata maraina fa tsy nahita an-dRatompokovavy nivezivezy toy ny fanaony mahazatra intsony. Nampandrenesina ny tompon’andraikitra nandritra izany ka novahana ny trano. Indrisy anefa fa vatana mangatsiaka efa nihosin-dra sisa no hita tao. Lasan’ireo olona namono azy ihany koa ny vola ana hetsiny nampiriminy tao ambony plafond sy ny firavaka volamena nananany hoy ireo fianakaviany. Fantatra moa fa mbola nahitana tavoahangina labiera….tao an-tokantranony nandritra izany. Tombanan’ny rehetra ho namany akaiky ihany araka izany no nahavanona ny loza. Mety mbola niara-nisotrosotro mantsy izy ireo talohan’ny namonoany an-dRatompokovavy. Miantso ny hivoahan’ny marina mikasika ity raharaha ity araka izany ny fianakavian-dRatompokovavy. Olona maromaro mpiara-monina aminy moa no efa nohenoin’ny mpitandro ny filaminana koa andrasana izay mety ho tohin’ny raharaha.
Pati
Legende : Tsy namelan’ireo tsy mataho-tody raha tsy namoy ny ainy ity Renim-pianakaviana ity
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,