ny loharanom-baovao azo tetsy amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona etsy Tsaralalana. Ny 400 isa tamin’ireo no very teo an-kohonan-dRay aman-dReniny raha araka ny fantatra ary efa tafaverina soa aman-tsara. Ny ambiny kosa tsy voafaritra mazava hoy ny kaomisera Andriamiandra Fidy noho ny fisian’ireo Ray aman-dReny sasany falifaly fotsiny rehefa tafaverina ny zanany ary tsy manome vaovao ny polisy intsony. Ilaina mihitsy anefa izay fampitam-baovao izay hoy hatrany ity kaomisera ity hahafahana manohy ny fanadihadiana raha toa ka ilaina izany. Olana ao an-tokantrano amin’ny ankapobeny no tena manosika ireo ankizy hiala ny tokantranon-dRay aman-dReniny ankoatra ireo efa manaraka namana sy olon-tiana any amin’ny toerana tsy fantatra. Eo an-daniny anefa dia mitombo ihany koa ireo olona maniry ny hanangana sy mitsiriritra ireny zaza misy manary ireny eto amintsika izany tsy maintsy manaraka rafitra an-tanan-tohitra maro vao afaka manatanteraka izany.
Pati
Fiara tsy mataho-dalana iray no nangalarin'ny mpitazona ny fanalahidiny
Ahitana tranga maro samihafa eny anivon’ny fiaraha-monina eny.
Nahatratra 45 isa tato anatin’ny 5 volana voalohany ny isan’ireo zaza very
Mpamaky trano iray no tratra tao ambany fandriana tany Miadamanjaka,
Ramatoa 52 taona monina ao Ambodilazana, Toamasina II, no nisy nanolana ny alahady teo,