airtel

Fifamoivoizana

12-juin-2026

Tobim-piantsonana

Amoronakona Ho fantatra anio ny orinasa

Sample post image

hisahana ny fitantanana

12-juin-2026

Vinavinaina hisokatra mialoha ny fetim-pirenena ho avy izao ny Tobim-piantsonana Amoronakona. Koperativa miisa 80 mampiasa ny RN2 sy ny RN7 no efa naneho fahavononana hampiasa ity fotodrafitrasa ity. Tafatsangana ny Talata teo ny Collectif des Présidents de Coopératives de Transport Routier de Voyageurs (CPCTRV) Amoronakona, izay hiara-hiasa amin’ny fitantanana sy fampandehanana ny tobim-piantsonana. Ho fantatra anio zoma ny orinasa izay hisahana ny fitantanana azy ity. Nanomboka omaly kosa ny andrana amin’ireo zotra vaovao hampitohy ny Tobim-piantsonana Amoronakona amin’ireo faritra hafa manodidina ho fanamorana ny fivezivezen’ny mpandeha. Tanjona amin'ny fanokafana ity Tobim-piantsonana ity ny fanatsarana ny fitateram-bahoaka, fanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana ary fanomezana tolotra manara-penitra ho an’ny mpandeha.
Jean D.
Vonona hampiasaina ny Tobim-piantsonana Amoronakona
 

Dans la même rubrique