tsy hanasoavana mpiara-belona»
Ny fahaizana mikolokolo ny talenta nomen’Andriamanitra miampy ny fahaizana miantsehatra no mahatonga ny tarika Rabejean Miarinarivo mahavory olona maro hatrany amin’ny faritra rehetra teteziny amin’ny alalan’ny fiangaliana ny vakodrazana malagasy, hoy Razafindrabe Jean France Wysco, mpitarika azy ireo. Eo ihany koa, hoy izy, ny fitafy izay tena tandremana ho manaraka ny toetr’andro nefa tsy mitanjaka, ny hafatra tiana ampitaina hoe tafita ve, iza no kendrena na «cible» hoy ny teny vahiny? Natao ho an’ny sarambabem-bahoaka ny vakodrazana ary ny tanora mihitsy aza no taomina hankafy azy. Ny volana aprily hatramin’ny oktobra no tena vanim-potoana mampiroborobo ny vakodrazana. Manoloana ny fivoaran’ny tekinolojia, eo ny IA na Ilontsaina artifisialy, izay tsy ratsy, fa mila voafehy kosa ny fampiasàna azy. Ny fahatongavàn’ireny tsy tokony hanaovana tsinontsinona ny maha malagasy na ny kolontsaina sy fomba amam-panao nentim-paharazana. Afa-miaraka tsara ny kolontsaina sy sivilizasionina. Tsy natao hanariana ny maha izy azy anao nefa ny sivilizasionina. Ny kolontsaina, fomba amam-panao, riba samihafa no maha izy azy anao na fototra ahalalàna fa malagasy niandohàna sy hiafaràna ianao. Mpanakanto, mpanao vakodrazana sy kolontsaina ny tarika. Ny kanto tsy kanto raha tsy hanasoavana mpiara-belona nefa hoy ny zokibe Om-Gui izay. Antony tsy hijanonana fotsiny amin’ny fiakarana an-tsehatra sy fizaràna talenta ihany izany fa anohizan’ny tarika ny asa sosialy efa nataony any amin’ny faritra nihaviany ihany koa. Isan’ny ny fanampiana ireo sekoly, hopitaly, fiangonana sy ny toy izany, izay biriky amin’ny fanampiana ny fitondràna mijoro ihany koa hanampiana ny mpiara-belona sy mpiray tanindrazana izany. Mandalo isika ety ary tsy misy tompon’ny ampitso ka filamatry ny tarika foana ny hoe ny andraikitra miteraka adidy. Ny adidy miteraka asa. Ny asa no mipetraka ho tantara fa nisy ny olona iray. Raha samy ho faty ihany hoy ny Ntaolo dia aleo maty mamela mamy toy ny tantely, hoy hatrany ity tarika ity.
J. Mirija