Tsy mipetraka ambonin'ny rafitra nentim-paharazana malagasy nifaka tamin'ny soatoavina fandalana ny Marina, Rariny ary ny Hitsiny ny taranaka nifandimby koa tsy mahagaga raha toa ka manao randra-mitarika mandraka ankehitriny ny fahantrana. Vokany, tsy mitoetra intsony ireo "lamina" teo anivon'ny fiarahamonina napetrak'ireo Raiamandreny teo aloha fa nosoloina fomba fisaina sy fiaina nentin'ireo vahiny. Anisan'ireny ny endrika fampisaraham-bazana mifototra amin'ny toe-tsaina mifanimba, mifampialona mitarika hatramin'ny fifapotehana eo amin'ny samy Malagasy. Ireo toe-tsaina rehetra ireo izay nentin'ny Frantsay mpanjanantany namotehana hatrany amin'ny fitompolo isan-jato ilay lamina napetrak'ireo Raiamandreny. Anisan'ny soatoavina nampiavaka ny Malagasy ny fifanampiana ho amin'ny fiarahana mahomby amin'izay rehetra kasaina hatao. Ankehitriny, mifanohitra amin'izany no mitranga, mifampisintona hifotetaka amin'ny tany ny samy Malagasy fa tsy manana intsony ilay toe-tsaina hiara-misandratra hiazoana any amin'ny fahombiazana. Tsikaritra ny fiorenam-pakan'ilay toe-tsaina "Ory hava-manana" sy feno fankahalana eo amin'ny mpiray tanindrazana.
FIVERENANA AN-DOHARANO
Aoka tsy ho hadinointsika fa manana ny tanjany ny Malagasy eo amin'ny tontolon'ny ara-panahy. Noezahan'ireo mpanjanantany Frantsay, araka izany, ny nanapotika tamin'ny fomba rehetra ny Kolontsaina sy ny soatoavina tao anatin'ny fotoana fohy nanamorana ny fametrahana ilay rafitra nentina namotehana ny lamina napetrak'ireo Raiamandreny malagasy. Manoloana izany, tsy miraviravy tanana ireo Mpandala ny fomban-drazana fa miezaka mampiseho ilay firaisankina iray amin'ireo singa nandrafitra ny lamina nentina nampirindra ny fiainam-piaraha-monina. Anisan'ny ezaka efa ataon'ireo Mpandala ny fomban-drazana ihany koa ny fanatanterahana ireo Fomba ho entina mamerina ny hasina. Ity farany izay fomba iray hahafahana manova ny toe-tsain'ny isam-baravarana. Rehefa manan-kasina tokoa mantsy ny Olombelona iray dia ho sarotra ho azy ny hanao ny tsy mety eny anivon'ny fiarahamonina misy azy. Anisan'ny mbola mitoetra ho olana amin'ny fiverenana an-doharano ny tsy fanomezan'ireo Mpitondra fanjakana lanja ilay fototra maha Gasy antsika fa mbola variana amin'ireo kolontsaina vahiny izy ireo.
"MARINA", "RARINY" ARY NY "HITSINY"
Tsy ny endrika ivelany no itsarana fa miaina sy manome hasina ilay maha Gasy ny isam-batan'olona fa ny fiezahan'ny tsirairay hiverina anatin'ilay lamina mifototra amin'ny fandalana ny "Marina", "Rariny" ary ny "Hitsiny". Mitoetra ho olana ho amin'ny fanatanterahana izany anefa ny tsy fametrahan'ireo Mpitondra nifandimby ilay rafitra tena malagasy sahaza ny Gasy mifaka amin'ny soatoavina nolovaintsika tamin'ireo Raiamandreny. Mila averina, araka izany, ilay "Rafitra ara pomban-drazana" izay nentin'ny Gasy nifehezana sy nandrindrana ny fiainam-piaraha-monina. Anisan'ny ahafahana manatanteraka ny fiverenana an-doharano ny fametrahana indray eny anivom-piaraha-monina ireo Olobe. Ireto farany izay manam-pahendrena sy fahalalana. Ireo Olobe izay tokony ho mpandala ny fomban-drazana mba hananan'izy ireo ilay fahaizana mifandray amin'ireo fanahy sy hananan'izy ireo ilay fankatoavana an'ilay Andriamanitra Andriananahary. Mampisy tsirim-panantenana ny fanomezana hasina ny vovonan-drazana sy ny Raiamandreny ara-drazana nifandinika, nifanakalo hevitra manodidina "Ny anjara toeran'ny rindrandamina nentim-paharazana malagasy amin'ny fanarenana ny Repoblika" natao tany Ihosy ary hitohy any Antsiranana ho an'ny "Triangle du Nord" sy eto Antananarivo ho an'ny eto anivon-tany, mba hahafahana manapaka tanteraka ity rojom-pahantrana mangeja ny ankamaroan'ny Malagasy sy ireo taranany ity ? Ho an'ny Gasy tokoa mantsy ny fananana ilay fahendrena no ampinga nentiny nikatsaka hatrany ilay fahombiazana fa tsy ny vola na ny fahefana na ny fananana tanjaka akory. Raha tsy miezaka hamerina ilay rafitra mifaka amin'ny fandalana ny soatoavina izay ahafahana mametraka ny firaisankina, fifanjana, sns isika dia mbola hiaina fahantrana amin'ny endriny rehetra ny Gasy sy ireo taranany, hoy ireo mpandala ny fombandrazana !
Jean D.
Antoka hanafoana ny fahantrana ny fiverenana an-doharano