airtel

kolontsaina

03-nov-2026

ROUGE 501

HATSANGANA AO TOAMASINA

Sample post image

Toeram-pialam-boly lehibe

03-nov-2026

hampiavaka an’i Madagasikara
Hiainga avy ao amin’ny Faritra Atsinanana avokoa ireo toeram-pialam-boly lehibe mampiavaka an’i Madagasikara. Taorian’i Foulpointe dia hahazo ny anjarany koa ny ao an-tampon-tananan’i Toamasina. Ny vondrona Eoropeana sy ry zareo Sinoa no hamatsy vola ny asa. Tetikasa goavana sy manana tanjona lehibe ny Rouge 501, izay hanambatra foibe fanaovana fihaonambe, efitrano fanaovana fampisehoana, boite de nuit avo lenta ary toerana natokana ho an'ireo hetsika ara-kolontsaina sy matihanina lehibe eto Madagasikara. Toerana natao hampitambatra ny olona, ny kolontsaina ary ny mba ho lasa fampirantiana vaovao ho an'i Toamasina sy Madagasikara manontolo mihitsy ny Rouge 501. Hiteraka asa ho an’olona miisa 51 ny tetikasa raha kely, asa raikitra . Mpandraharaha maro ihany koa no hahazo tombontsoa amin’izany toy ireo misehatra amin’ny trano fisakafoanana.... Ny Rouge 501 dia tsy fampiasam-bola amin'ny foto-drafitrasa maoderina fotsiny raha tsiahivina fa hitondra soa ho an’ny olombelona amin'ny ho avin'ny tanàna sy ny lazan'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena mihitsy. Hanomboka amin’ ny volana Jona taona 2027 ny tetikasa.
Nangonin’i Pati
Legende : Tahaka izao no mety ho endrik’ilay foto-drafitrasa !
 

Dans la même rubrique

03-nov-2026

Mitaky rafitra tena malagasy sahaza ny Gasy

Card image cap
02-nov-2026

Nampahatsiavana ireo fady.....

Card image cap
02-nov-2026

Eo am-pandinihana ny

Card image cap
02-nov-2026

Namoaka boky mirakitra ny tantaram-piainany

Card image cap