airtel

Politique

19-déc-2024

5 taona nitondran-dRajoelina

Potika ny toekarena, niha nahantra ny Malagasy

Sample post image

Nisy fisondrotany 30 ka hatramin’ny 100% ny vidin’entana eny an-tsena tato anatin’ny 5 taona. Tena voakasika mivantana amin’io ny sakafo toa ny vary , hena,

19-déc-2024

menaka,legioma, siramamy, sira sy ny fitaovana na akora mifandraika aminy tahaka ny saribao sy ny entona fandrehitra. Tsy arakarak’izay anefa ny vola miditra na ny karama ho an’ny isan-tokantrano. Izay no antony mampitombo ireo tokantrano voatery, na mifehy kibo mampihena ny fandaniana, na midi-trosa sy mivaro-pananana.
MAHANTRA NY MARO AN’ISA
Dia iny nivoaka ny faran’ny herinandro teo iny fa firenena mahantra indrindra maneran-tany i Madagasikara satria tsy manana ilay 2,15 dolara na 10 000 Ariary latsaka kely isam-batan’olona mba iainana isan’andro ny 80,3% n’ny Malagasy. Tsy iadian-kevitra intsony angamba io tarehimarika io satria efa zavatra hita sady tsapa isan’andro amin’ny faritra rehetra eto amin’ny firenena ; rehefa mijery ny any anaty fokontany any tonga dia nahita iaso hoe izao tokoa kay ny fahasahiranan’ny olona, rehefa mahita ny olona miantsena, dia mahafantatra ny zavatra vidiny sy ny vola laniny isan’andro. Mbola zava-doza raha sanatria hoe misy marary na misy adidy tsy maintsy atrehana.
TSY MAHAVOKY NY SEHO IVELANY
Etsy ankilan’izay tena variana any amina zavatra natao isehosehoana , tsy hamaha ny olana efa tena mihatra aman’aina amin’ny vahoaka ilay fitondram-panjakana : teleferika, train urbain, autoroute, fananganana toeram-pilanonana sy fialam-boly goavana,…Tsy hoe tsy ilaina ireny fa kosa tsy izany izao no maika fa asa, sakafo, fianarana, fitsaboana, fandriampahalemana, jiro, rano.Ny minia tsy mahita ihany no mety mbola milaza izoa hoe mandroso i Madagasika fa raha ny tena marina nihemotra ny firenena tao anatin’ilay 5 taona voalohany naha filoha an’i Andry Rajoelina. Fiainana andavanandro sy tondro ara-toekarena no resaka eto fa tsy zavatra ambony latabatra. Ny resaka toekarena sy fihariana izany dia mampiteny ny moana, firifiry ireo orinasa bokan-traso, banky ropitra ka voatery manakatom-baravarana. Ny vola fanondrana toa ny lodsia sy ny lavanila ary ny kafe anefa mihena ny vidiny. Vary foto-tsakafo mbola afarana.
Ary ny tena mampatahotra dia miha potika ihany koa ny fiarahamonina, tsy mifampitsinjo intsony, tsy mifanampy, vao olana kely dia mifamono, itombo be ireo mpisoloky sy mpangalatra, lasa fahazarana ny mandainga. Maro be isan-taona ireo ankizy tsy afaka miditra na-tsekoly intsony fa voatery tsy maintsy miasa manampy ny vola miditra ao an-trano. Potika ny firenena, simba ny toe-tsaina.
RTT
 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap
11-juin-2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

Card image cap
11-juin-2025

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
11-juin-2025

Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,

Card image cap