ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina sy ny fifandraisan-davitra Rtoa Volamiranty Donna. Toe-javatra toa manamafy sy maneho fa isan’ny ao ambadiky ny fandetehana azy ny Fanjakana !? :"Tsy misy hifandraisany amin’ny asa fanaovan-gazety no hiampangana an’i Fernand Cello", hoy ny Minisitry ny serasera. Tsy mpiasa amina orinasa an-gazety sady tsy mpanao gazety i Fernand Cello, ary tsy manana karatra avy amin’ny holafitra, tsy misy hidiran’ny holafitra araka izany ny raharaha hiampangana azy fa malalaka ny fitsarana manao ny asany, hoy hatrany ny fanazavan-dRtoa Volamiranty Donna. Voafaritry ny lalàna momban’ny serasera 2020-006 ao amin’ny andidiny faha-54 fa olona manana mari-pahaizana momban’ny serasera na niasa nandritran’ny telo taona tamina orinasa an-gazety no misitraka karatra avy amin’ny holafitra maha mpanao gazety matihanina. Manana Zo anefa ny holafitra hisitona ny karatra rehefa tsy niasa tamina orinasa an-gazety nandritra ny 12 volana ny mpanao gazety, hoy hatrany ny fanazavana. Nilaza io Minisitra io fa tsy niasa tamina orinasa an-gazety i Fernand Cello, amin’ny maha olon-tsotra azy no hiampangana azy ka nampidirana am-ponja azy. Tsy miaro an’i Fernand Cello, ary mety manana ny heverina fa ho marina ny Fanjakana, mila diovina tokoa ny asa fanaovan-gazety, ka isaorana ny finiavana, saingy tsy tokony handeha ila. Isan’ny niadivana mafy teto indrindra nanomboka ny taona 2016 ny resaka tsy fanagadrana amin’ny resaka fahadisoana an-gazety na « dépénalisation des délits de presse », saingy itony moa mivadika amin’ny resaka « cybercriminalité », ka miova mihitsy. Na izany betsaka ny mpanao gazety tsy manana karatra avy amin’ny Holafitra izany eto, ka anisany ohatra ireo masoivohon’ny haino aman-jery vahiny. Betsaka ireo mampiasa tranonkala na pejin-tserasera misandoka ho orinasan-gazety fa tsy manana karatra maha mpanao gazety izany kanefa tsy misy fandraisana andraikitra. Anisan’ny mpanao izany aza ny Fanjakana amin’ireo pejin-tserasera samihafa, izay misy mihitsy ireo nisy nitory tany amin’ny sampana misahana ny heloka an’habaka fa moa mba nisy fandraisan’andraikitra ? Moa afaka mijoro ve ny Fanjakana na ny OJM hoe : ireto avy ny mpanao gazety ao ambadik’ireo pejy toy ny Serasera Mada, Actus Mada,… manana karatra ara-dalàna ? Nahoana ireny no afaka manao izay tiany manala baraka sy manimba olona kanefa tsy hitan’ny Cybercriminalité na dia efa misy fitoriana aza fa ny hafa toa an-dry Fernand Cello sy Stan’ley Ramarivelo mandeha tsy voizina ny fanenjehana sy fanagadrana?
Toky R
Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.
Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny
Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana
Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny
An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,
Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo