airtel

Politique

05-juin-2026

Afera Rajerison, HCC, resaka fanakorontanana,…

Hangotraka ny fanenjehana,

Sample post image

hitohy ny fisamborana…

05-juin-2026

Mangotraka ny fifanandrinana politika, fifandroritana mikasika ny lalàna, ady ara-tserasera manodidina ny raharaha depiote Antoine Rajerison, HCC, Fanirisoa Ernaivo, PRRM,... Raharaha niainga tamin'ny fitorian-dRajerison Antoine ny Fanjakana fanavaozana ny 13 mey 2026. Niparitaka ny serasera omaly, toy ny nataon'ny mpikirakira Facebook Fernand Cello fa voamarina ny fisiana fangatahana fa hoesorina ny "immunité parlementaire" an'ny depiote Antoine Rajerison. Nambara ho nandray vola tamin'i Yves Rajoelina (Yves Maurice any am-ponja no tiana horesahana?) izy ary mikasa hamerina an'i Mamy Ravatomanga sy Andry Rajoelina eto Madagasikara, ary misy mpikamban'ny HCC tafiditra amin'ny raharaha, hoy ny serasera politika niparitaka. Nilaza io depiote io fa tena misy fikasana hanala ny zo maha depiote azy, ary tsy mandehandeha foana ireny zavatra ahely ireny, raha ny filazany. « Tsy ny fanehoan-kevitra nataony no hanenjehana azy, fa ny maha voarohirohy azy amin’ny resaka famatsiam-bola asa fanakorontanana », hoy ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Ernaivo omaly nanamafy fa nisy tokoa ny fangatahana fanesorana « immunité parlementaire ». Tsy sarotra ho an'ny Antenimierampirenena tarihin'ny Filohany Atoa Siteny Randrianasoloniaiko io, raha ny raisina amin'ny fifanfonana ara-kevitra teo aminy sy ny depioten'Arivonimamo. "Fikasana handoto sy hamorona dosie ahafahana misambotra, hanimbana sy hamotehana ny tenako. Tsy mbola nihaona na nahita an'i Yves, na indray mandeha aza ny tenako, ary tsy aiko izany olona izany. Ankehitriny dia aparitaka fa nandray vola taminy hono aho. Hisy izany ny famoronana sary, vidéo sy vaovao tsy marina hanaratsiana ahy sy hanakorontanana ny sain'ny vahoaka raha izao zavatra ataon'izy ireo sy ny mpikaraman’ady izao.", hoy ny setriny nataon-dRajerison Antoine. Nilaza fa hijoro hatrany ary tsy hivadika hatramin'ny farany, ary ny andraikitra nankinin'ny vahoaka no manosika azy satria rehefa tsy mety dia tsy mety. Ho tonga amin'ny fanagadrana an'i Antoine Rajerison izay mety mieritreritra fa afaka mipetraka ho Antoko mpanohitra matanjaka hifaninana amin'ny fanavaozana eo anatrehan'ny fiheverana fa sarotra ho an'ny TGV ny hiarina vetivety satria narodan'ny vahoaka ?
MISAFOTOFOTO, MILA MITANDRINA NY FANJAKANA...
Misafotofoto ity raharaha ity eo anatrehan'ny fifandroritana samihafa. Nambaran’ny Minisitry ny Fitsarana omaly, fa tsy ny fanapahan-kevitra no hanaovana fanenjehana ny mety fandikan-dalàna. Ny HCC tamin'ny alalan'ny Sekretera Jeneraliny Atoa Ranesa Firiana nilaza fa fitsabahana ary tsy fanajana ny tsiambaratelon'ny Fitsarana sy ny fisaraham-pahefana ny nataon'ny Minisitra. Nanampy tosika ny HCC ny Filohan'ny Sendikan'ny mpitsara na ny SMM Atoa Mbitanarivo Andriantsihorisoa. Ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael toa nipetraka ho eo anelanelany amin'ny maha Raiamandreny, ka nilaza fa tsy azo henjehina amin'ny fanapahan-keviny ny mpikamban'ny HCC fa kosa azo henjehina raha misy fahadisoana, raha mikononkonona fanakorontanana,... Andaniny, mandeha ny fampahatsiahivana mikasika ny endriky ny HCC toy ny hoe ekipan'ny CAEED (Contact et Action pour l'effectivité de l'Etat de Droit) niaraka tamin'Atoa Dina Andriamaholy Sekretera Jeneraly lefitra teo anivon'ny Fiadidian'ny Repoblika fony fitondrana Rajoelina ny Sekretera Jeneralin'ny HCC Atoa Ranesa Firiana. Mety lojika ny fihetsiny satria izy ireo no voalaza fa anisan'ny namolavola ireo rijan-teny nomena ny CCC (Conseil Consultatif Constitutionnel) notarihan-dRakotoarisoa Florent Filohan'ny HCC ankehitriny nialoha ny fitsapakevi-bahoaka tamin'ny 2010 iny. Nahazo toerana ambony daholo ireo rehefa nitondra i Andry Rajoelina nanomboka tamin'ny 2019, izay nalaza tamin'izany ihany koa ny tanjaka sy dian-tanan'i Mamy Ravatomanga tamin'ny fametrahana olona tamin'ireo toerana stratejika ka misy manao petra-kevitra fa olon-dRavatomanga ireo. Efa Sekretera jeneraly tao amin'ny ministeran'ny Paositra ny Sekretera Jeneralin'ny HCC. Anisan'ireo mpikamban'ny HCC miisa 4 voatonontonona ny vadin'Atoa Dina Andriamaholy. Mazava ho azy fa hain'izy ireo toy ny paosiny ny lalàmpanorenana ka io no entin'izy milalao sy miady eo raha tsy mitandrina ny PRRM sy ny ekipany, hoy ny fanamarihana. Asa hanao ahoana ny tohiny satria ny Fanjakana ankehitriny no nitazonana ny HCC sy ireo rafitra samihafa tsy ho rava na efa nambara aza ny 14 oktobra 2025 fa rava ary ny HCC andaniny no nanamarina ho ara-dalàna ny Fitondrana fanavaozana ? Hanao ahoana ity tantara ity !?
Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozana»

Card image cap
04-juin-2026

Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana

Card image cap
04-juin-2026

Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »

Card image cap