airtel

Politique

08-janv-2026

Afera Ravatomanga

Fiara raitra 14 nalaina tao Toamasina

Sample post image

Niparitaka ny vaovao nataon’ny

08-janv-2026

Orinasa Auto Diffusion sy ny Groupe Sodiat an’Atoa Mamy Ravatomanga omaly, milaza fa nalainy an-keriny ny fiaran’izy ireo 14 vaovao tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ny alin’ny 31 Desambra 2025. Ireo fiara, izay nolazaina fa nampidirina ara-dalàna ho an’ny asa ara-barotra ataon’ny Auto Diffusion, nalaina tao amin’ny parc voiture SMMC teo anelanelan’ny 7 ora sy 8 ora hariva. Nolazina fa tsy nisy fanarahana ny fitsipika momba ny fadin-tseranana. Nambaran’io serasera io fa tsy nisy fanekena avy amin’ny « mandataire » voatendrin’ny Auto Diffusion, ary mbola tsy voamarina ny antontan-taratasy rehetra momba ny « dédouanement ». Noho izany, hatramin’izao dia tsy mbola misy fanambarana ara-dalàna voasoratra momba ireo fiara ary heverina ho tsy ara-dalàna ny fisiany eto amin’ny tanin’i Madagasikara, hoy hatrany ity orinasan’i Mamy Ravatomanga ity. Manoloana izany, noho izany, milaza fa mandà tanteraka ny andraikitra rehetra, na mivantana na an-kolaka, amin’ny fampiasana, fivezivezena na fivarotana ireo fiara voakasika izy ireo. Nambara fa misy amin’ireo fiara ireo no efa nisy mpividy nandoa vola mialoha amin’ny alalan’ny « prévente », ka tokony ho voaray amin’ny fotoana manaraka. Tao amin’ny « gare des manguiers », nolazaina fa ny 31 desambra 2025 dia kamiao « semi remorques » miisa 3 no nalaina ary nentina nankaty Antananarivo. Tao amin’ny auto diffusion Talatamaty- 01 novambra 2025: fiara 8 nalaina. Milaza ho mitazona ny zony hanatanteraka fepetra ara-pitsarana rehetra ilaina hiarovana ny tombontsoany sy ny zon’ny mpanjifa voakasika amin’ity raharaha ity ny Auto Diffusion.
ORINASA SY FANANANA ISAN’NY GIAZANA…
Andaniny, tsiahivina fa ny volana novambra no nivoaka ny dosie maneho ny fangejan’ny Fitsarana Maorisianina ny fananana rehetra mikasika an’i Mamy Ravatomanga sy ireo akaiky azy. Didim-pitsarana manan-kery taorian’ny fangatahana nandeha sy ny fanadihadiana natao ny 22 Oktobra 2025. Araka ny andininy 69(1) sy 70 ao amin’ny Financial Crimes Commission Act 2023, dia napetraka ny Criminal Attachment Order izay manidy sy mampiato ny kaonty banky sy fananana rehetra an’i Maminirina Ravatomanga sy ireo olona akaiky azy. Tafiditra tao anatin’izany hatramin’ireo havany akaiky. Tsy voafetra tamin’ny olona ihany ny didy fa tafiditra ao koa ireo orinasa maro, miisa 41, ka tafiditra tao ny orinasa rehetra ao amin’ny vondrona SODIAT, ao anatin’io ny : Auto Diffusion izay miantsoroka ireo fiara etsy ambony, Sodiate Export, Sodiatrans, Trans Ocean Airways, SMC Presse, Radia FY, Cap Mada Voyages, Polyclinique d’Ilafy, SIA, MSA, ary Udaan Potentials Ltd. Niampy ny AKSAF Power Ltd, BRIC Investissements, SODIAT SA, Madarail Holdings,... Voafaritra tao anatin’io fa « Voarara tanteraka ny famindrana, fizarana, fanatontosana antoka na fivarotana ny vola sy fananana rehetra raha tsy amin’ny alalan’ny didim-pitsarana ». Raha raisina amin’io, efa voageja ilay orinasa saingy mbola miodina ka nakana ireo fiara? Tsiahivina ihany koa fa ny fiandohan’ny desambra 2025, nanambara ny Fanjakana Malagasy fa vola mitentina 88 miliara Ariary avy amin’ny kaonty amin’ny banky miisa 99 an’i Mamy Ravatomanga, ny vady aman-janany ary ireo akaiky azy, no nogiazan’ny ARAI (Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites). Tafiditra anatin’ny fanagiazana ve itony fiara itony ? Andrasana ny tohiny sy ny mety ho fanampim-panazavana momba ny fivoaran'ny raharaha…
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

Madagasikara avela manapa-kevitra!»

Card image cap
10-févr-2026

Rajoelina tany Eswatini ireny!»

Card image cap
10-févr-2026

ireny no tsy maintsy hamadika!»

Card image cap
09-févr-2026

miangavy ny Filoha handray andraikitra,… »

Card image cap
09-févr-2026

fanadihadiana ataon’i Maurice »

Card image cap
09-févr-2026

Malagasy mafy ny fihetsik'i Eswatini

Card image cap