airtel

Politique

09-janv-2026

Aferam-pifidianana depiote naloto

Mifoha ny fanoherana ny hala-

Sample post image

baton'ny IRMAR tao Vondrozo!

09-janv-2026

Manomboka miverina ny fitakiana sy fanatsikafonana ireo politika maloto sy ny hala-bato tamin'ireo fifidianana. Any Vondrozo, tsokafonin'ny vahoaka sy ny herivelona samihafa ny fampandaniana tsy ara-drariny ny kandidan'ny IRMAR Odilon Bototefy, ary manamafy fa ny Kandida tsy miankina, Volatiana RANDRIANASOLO no lany tamin'ny elanelam-bato 1400, saingy nitsimbadika noho ny setrasetra politika tao anatin'ny Fitondrana Rajoelina. Manizingizina ny andaniny, fa nentin'ny olon'ny IRMAR nitsoaka ny valim-pifidianana tena izy. Nampiasainy ny mpitandro filaminana mba hatao famoretana nandravana ny vato teo Vondrozo. Rehefa natao ny "confrontation" tany amin'ny CENI foibe, nandresy i Volatiana RANDRIANASOLO ary hita fa lany tamin'ny fomba ara-dalana sy mangarahara izy, saingy rehefa tonga tao amin'ny HCC dia natao hoe azo raisina fa tsy mitombona, nefa efa mazava be ny porofo rehetra, hoy ny fanazavana. Kaomina roa be izao no novonoina ny vato mba haharesy ny kandida Volatiana RANDRIANASOLO fa tsy mba hoe Birao fandatsaham-bato roa akory. Nampiasaina ny fahefam-panjakana, ireo olom-panjakana, nisy ny tsikombakomba,... izay nisy tranga niharihary toy ny hoe ny mpifaninana no manisy solika ny fiaram-panjakana,... Betsaka ny endrika fitanilana nentina nampandresena ka isan'ny niharihary ny fampiandaniana ara-politika ny fitantanan-draharaham-panjakana na dia voararan'ny lalàna araka ny andininy faha-39 amin'ny lalàmpanorenana aza. Noho izany mijoro ny vahoaka, mitsangana ny herivelona maro, mangataka ny Filohan'ny Antenimierampirenena, ny HCC, ny Fanjakana,... hijery ity raharaha ity satria mahatsiaro ho tratry ny tsindry hazolena ary voahosihosy ny safidim-bahoaka. Efa andron'ny fanovana izao, ka fotoana hampanjakana ny rariny sy hanajana ny tena safidim-bahoaka taorian'ny didin'ny be sandry nataon'ny volomboasary, hoy ny hatrany ireo mponina izay mahatsiaro fa voahosihosy ny safidiny.
Toky R

 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

Madagasikara avela manapa-kevitra!»

Card image cap
10-févr-2026

Rajoelina tany Eswatini ireny!»

Card image cap
10-févr-2026

ireny no tsy maintsy hamadika!»

Card image cap
09-févr-2026

miangavy ny Filoha handray andraikitra,… »

Card image cap
09-févr-2026

fanadihadiana ataon’i Maurice »

Card image cap
09-févr-2026

Malagasy mafy ny fihetsik'i Eswatini

Card image cap