airtel

Politique

16-avril-2026

Kolonely RANDRIANIRINA MICHAEL

Indroa saika hisy hamono

Sample post image

tao anatin’ny 48 ora...

16-avril-2026

Indroa nisy nikasa hanafika ny toeram-ponenana misy ny Filoham-panjakana Kolonely Michaël Randrianirina ny alin’ny Alahady 12 Aprily sy ny alin’ny Talata 14 Aprily 2026, araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao iray omaly. Drones fanafihana na “drones armées” miisa dimy no hitan’ireo mpiambina roa nidaraboka ary telo tafaporitsaka nandritra ny sidina. Mbola naharenesana ny fisian’ireo drones ireo ihany ny alin’ny 14 Aprily, raha ny fanamarihana. Ny fampiasana teknolojia avolenta ampiasain’ny Fiarovana azy no nahafahana namantatra ara-potoana ny mombamomba ireo fitaovam-piadiana nikasa hanafika. Efa mandeha ny fikarohana sy ny fanadihadiana. Tsy nisy kosa ny fanamarihana hoe nisy poabasy tamin'ny fampianjerana ireo drones sy ny marik'ireo fitaovana, izay mety anatin'ny tsiambaratelon'ny fanadihadiana. “Tsy azo hamaivanina ny tranga tahaka izao ary sokajiana avy hatrany ho isan’ny fanafihana Andrim-panjakana (attentats, tentatives d’assassinat), araka ny Fenitra amin’ny Fiarovana ny Andrim-panjakan’ny Repoblika” hoy ny loharanom-baovao.
TETIKA HATRY NY ELA?
Andrasana ny fanazavana avy amin’ireo Sampan-draharaha mpanao fanadihadiana hahalalana ny antsipirihany. Ireo tranga roa nisesisesy tao anatin’ny 48 ora dia manamafy hatrany ny fisian’ny fikasana hifofo ny ain’ny Filohan’ny Fanavaozana sy tetika hanonganam-panjakana amin’ny endriny maro tao anatin’ny enim-bolana nitondrany. Tany amin'ny oktobra 2025 no efa nisy filazana fa 28 miliara ny vola ampiasaina entina hifofoana ny ain'ny Filoha sy hanakorontana. Dia nisy ny fisamborana sy fampidirana am-ponja mpanao politika maromaro toy ny depiote vehivavy iray voalaza fa atidohan'ny fanapariahana vola entina hanakorontana. Nitohy tamin'ny fisamborana loholona teo aloha izay voalaza fa nahatrarana vola sy fitaovam-piadiana ary resaka nifanaovana entina hanakorontana Firenena ny volana martsa lasa teo. Taty aoriana, dia nisy ihany koa ny loharanom-baovao fa misy mpanao politika mikotrika famonoana olona ambony amin'ny alalan'ny "drones" ka anisany ahiana ho voarohirohy ny depiote tanora iray namoahana IST na fahazoana mivoaka ny sesin-tany avy eo nesorina, ary nisy resaka fa hoesorina ny zo tsy azo henjehina, saingy nangina. Asa hanao ahoana ny tohiny ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap