airtel

Politique

16-avril-2026

FIKAONANDOHA, FANAVAOZANA

Mila mafy amin’ny serasera ny fanjakana

Sample post image

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

16-avril-2026

fanavaozana ny firenena hoy ny kolonely Randrianirina Michael teny amin’ny CCI Ivato nandritry ny fikaonandohan’ny tanora. Misy dingana maro samihafa tsy maitsy arahana, misy fandaminana tsy maintsy apetraka ary misy rafitra miasa amin’izany. Novaina ho minisitera tsotra eo anivon’ny governemanta fa tsy minisiteram-panjakana ny rafitra mikarakara ny fikaonandoham-pirenena mba ilana ny aminny hoe misy tsindry avy amin’ny filohan’ny fanavaozana, hoy izy. Efa-bolana teo moa izay no efa nitety faritra ny Minisiteran’ny fanavaozana ny amin’ny fakan-kevitra savaranonando, narahana fanazavana sy famelabelaran-kevitra momba ny fikaonadham-paritra sy fikaonandoham-pirenena ho avy eo.
Misy ny fahatarana eo amin’ny tetiandro, iny eo ihany fa ny tena miteraka adihevitra dia ny hoe ahoana marina ilay fomba fiasa, iza no manao inona, amin’ny fomba ahoana no isafidianana hoe ranona sy ranona no maneho hevitra na mitatitra ny hevitra. Raha any anaty fokontany dia miteny daholo ve ireo ampy taona sa angonona isaky ny vakim-paritra ny soso-kevitra dia atao ny fandravonana.Iza no manao ny fandravonana ny hevitra dia misy lasitra efa vit ave momba izay sa samy manao izay heveriny fa mety aminy ny isam-pokontany sy isaky ny kaominina. Misy tokao ilay fandaharana amin’ny haino vaky jery 5 minitran’ny fanavaozana saingy tsy ny ehetra no mahita sy mandre azy.Ary rehefa nanontaniana aza dia vitsy ireo mahalala ny fisian’io fandaharana io.
Misy ireo manolo-kevitra hoe nahoana no tsy mifanome tanana moa ny minisitera rehetra fa tsy minisitera iray no manezakezaka eo.Ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ohatra dia manana adidy sy andraikitra lehibe amin’ny fampahafantarana ny asa mandeha, ny fivoaran’izany asa izany, eo koa ny fikaonandoham-pirenena. Mila fampahafantarana goavana sy mieli-patrana manerana ny nosy ilay hoe atao ny fakan-kevitra savaranonando ary ho avy ny fikaonandoham-paritra sy fikaonandoham-pirenena avy eo.Averina aseho sy ampahafantarina ny vahoaka ilay tetiandro. Efa fanao izany amin’ny resaka vaksiny ohatra, nandritra ireny valanaretina Covid 19 ireny ny taona 2020 sy 2021 samy nahita ny manerana ny nosy fa henjana, totoafo ny serasera , iza no tsy nahalala ny hoe manasa tanana tsara amin’ny savony sy manao aro vava orona, hajao ny elanelana 1 metatra. Taona 2026 izao, vao miha nivoatra sy niha tsara ireo fitaovan-tserasera, nitombo isa ny olona manana finday sy mampiasa internet ary mampiasa tambazon-tserasera. Mila mafy ny serasera, mila fantatry ny malagasy farany betsaka indrindra mba tsy hifanomezan-tsiny rehefa avy eo hoe tsy fantatray izany na ny hoe toa tsy noraisina akory ny soso-kevitray.
Légende : Ny Filohan’ny fanavaozana Kolonely Randrianirina Michael sy ireo mpanolotsaina avo 4 mirahalahy
RTT
 

Dans la même rubrique