airtel

Politique

02-mars-2023

Politique

Ahiahy ara-pifidianana eto Diovina amin’ny serasera iraisam-pirenena…

Sample post image

Tsikaritra ho miezaka manao serasera iraisam-pirenena mikasika ny toe-draharaha eto Madagasikara ny Mpitondra ankehitriny eo anatreehan’ny raharaham-pirenena tsy dia milamina sy ny ahiahy samihafa, toy ny resaka fifidianana.

02-mars-2023

Toa miezaka maneho amin’ny vahiny fa milamina sy tsy misy ahiana eto. Tato anatin’ny herinandro, in-droa izay no nivoaka tamin’ny haino aman-jery iraisam-pirenena ny Mpitondra tenin’ny governemanta sady Minisitry ny serasera Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy. Taorian’ny tamin’ny TV 5 Monde vao andro vitsy, dia nandeha omaly ny fivahinianany tao amin’ny “L’invité d’Afrique” an’ny RFI (Radio France Internationale). Nolazainy tao, fa tena manam-piniavana amin’ny hisian’ny fifidianana milamina sy mangaraharaha ny governemanta. Nambara fa porofon’izany ny fanesorana ny Minisitry ny asa izay nahazo kiana be noho ny maha vadin’ny Filohan’ny CENI azy, na isan’ny minisitra nahavita be aza izy tamin’ny asany sy tao anaty governemanta hatrany am-piandohana aza. Notsipihiny ny fijerena manokana ny tetibolan’ny Vaomiera misahana ny fifidianana tamin’ny alalan’ny fampiakarana ny vola hoenti-miasa mitaha ny tamin’ny 2018, izay nampiakarina 25 miliara amboniny, naompana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana. Azo jerena any amin’ny fanintsiana ny tetibolam-panjakana 2023 raha misy tsy ampy, raha ny fanamarihany. Nambarany fa mandeha araka ny tokony ho izy ny fifampiresahana amin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (PTF) mikasika ny fifidianana. « Ho an’ireo mpikamban’ny firaisamonim-pirenena izay mitsikera anay, ny teniko amin’izy ireo, dia midira amin’ny dingana fanaraha-maso io, tongava ary valio ny antso nataon’ny governemanta ho an’ny fanaraha-maso ny fifidianana, raha misy ny ahiahy amin’ny tsy fangaraharahana », hoy hatrany ity Minisitra ity. Noresahany ihany koa ny namoahan’ny CENI tetiandro, ary efa nankatoavin’ny HCC ho mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana. Any amin’ny governemanta ny baolina, saingy hatreto tsy mbola nisy ny didim-panjakana nivoaka na efa tamin’ny 09 febroary aza no namoaka ny vinavinany ny CENI, ary herinanandro taorian’io ny an’ny HCC. Ankoatra ny tsy fisian’ny didim-panjakana nivoaka momba ny fifidianana, dia niharihary hatrany ihany koa ny fanakantsakanana politika, eny fa na nilaza aza ny mpanohitra fa hanentana ny olona hisoratra anarana ao anaty lisi-pifidianana no isan’ny ifanomezan’izy ireo fotoana amin’ny mpiara-dia aminy. Miteraka fijery hafa izay toa miendrika sy maneho io fa tsy vonona hiroso amin’ny fifidianana ny Fanjakana. Mbola adihevitra ny lalàna, ny famerana ny vola amin’ny propagandy,…
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap