airtel

Politique

26-avril-2023

Politique

Ahiahy goavana ara-pifidianana Misy faritany namoronana fokontany matoatoa an’arivony?

Sample post image

Miteraka adihevitra sy ahiahy ara-politika momba ny fifidianana amin’izao fotoana izao ny resaka fitomboan’ny isan’ny fokontany izay voalaza fa an’arivony any Toliara,

26-avril-2023

raha ny fampitahana izany amin’ny lisi-pifidianana tamin’ny fifidianana 2018 sy amin’ny fanavaozana manontolo nataon’ny Vaomieram-pifidianana CENI amin’izao 2023 izao. “Iangaviana ny CENI Madagascar hanamarina na hanitsy ity tabilao namboarinay ity. Nosintoninay tao amin'ny tranonkalany mantsy ny "Liste électorale (refonte) mikasika 19.307 fokontany (format PDF)", raha 18.343 no isan'ny fokontany tamin'ny taona 2018. Nesorinay amin'ny antontan'isa ireo fokontany amin'ny Faritra Fitovinany sy Vatovavy, satria dia novain'ny Ceni Madagascar ny "codification fokontany". Marina ve io Fokontany vaovao miisa 1.024 ao Toliary io ?”, hoy ny fomba fijery sy fanontaniana misy mametraka amin’izao fotoana izao. Raha io fampitahana nisy nanao io tokoa mantsy no jerena, dia 3 973 ny isan’ny fokontany rehetra ao anatin’ny Faritanin’I Toliara tamin’ny raharaham-pifidianana 2018 saingy niakatra 4 997 amin’izao 2023 izao, izay manome ilay 1024, ary manome taham-pitomboan’ny fokontany 25,77%. 15 aprily teo. Raha miverina amin’ny fifidianana 2018, dia tapany Atsimon’ny Nosy no isan’ny nahazoan’I Andry Rajoelina vato betsaka, raha toa ka Antananarivo kosa ho an’I Marc Ravalomanana. Raha ny ho an’ny Faritanin’Antananarivo, izay be mpifidy indrindra no ambany indrindra ny taham-pisoratana anarana satria mbola 66,25% izay 3 045 005 hatreto (tatitra tamin’ny 11 aprily), dia 3 335 560 ny tamin’ny 2018, izany hoe: latsaka 290 555 na -8,7% mitaha ny tamin’io 2018 io. Tao anatin’ny faritanin’Antananarivo ihany koa ny antsasa-manila latsaka kely tamin’ireo ambara fa verin-droa nilatsaka satria 31 029 tamin’ny 66 313. Ny faritra 3 amin’ny 4 dia latsaka avokoa ny isan’ny mpifidy mitaha ny 2018. Raha ho an’Analamanga manokana, latsaka 267 481 be izao mitaha ny tamin’ny 2018 ny isan’ny mpifidy hatreto satria 1 906 399 no lasa 1 638 918. Na mety ho fifandrifian-javatra aza, misy ny mandika izany ho kajy politika hoe: ampitomboina ny any amin’ny nahalany ny mpitondra ankehitriny, ary mihena ny faritra nahareseny. Mitombo ny ahiahy mampiakatra ny maripana politika, izay mety hiafara amin’ny sakoroka raha tsy voalamina.


EFA NISY ANJOMARA!
Ny 15 aprily teo tao Morondava moa no efa niteny ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana, fa misy fikotrehana birao fandatsaham-bato matoatoa, ary misy olom-panjakana ambony mikotrika izany sy mitety faritra, raha ny nambarany. Nanonona anarana olona ambony ao amin’ny Minisiteran’ny Atitany mihitsy ity farany, ary nampitandrina. Tsy nisy aloha setriny sy fandisoana ofisialy hatreto. Nanentana ny mpiara-dia taminy hitaky fa tsy maintsy atao peta-drindrina eny amin’ny Fokontany ny lisitry ny mpifidy, hoy i Marc Ravalomanana izay nanitrikitrika fa mifanaraka amin’ny lalàna 2015/020 andininy faha-39 mikasika ny CENI. “Misy ny tatitra azo fa ny governora any amin’ny Faritra Atsimo any ka anisany ny aty aminareo no anisan’ny manao famoronana birao fandatsaham-bato na fokontany tsy misy akory io”, hoy hatrany I Marc Ravalomanana. Tena misy, hoy izy, ary olona ao anatin’ny Fitondrana ihany no manome vaovao mari-pototra azy ireo. Andrasana izay mety ho setriny sy fanazavana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-sept-2023

Handefa iraka manokana eto Madagasikara ny avy amin’ny Firenena Mikambana, hanara-maso sy hijery ny toe-draharaha

Card image cap
26-sept-2023

Higadona eto amintsika manomboka rahampitso Alarobia 27 Oktobra ny firenena mikambana na ny ONU

Card image cap
26-sept-2023

Tsy maintsy hisy hanaraby ny irak'Andriamanitra, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika!

Card image cap
26-sept-2023

Hamory ireo mpiara-dia aminay ao amin'ny "Palais des Sports" Mahamasina izahay kandida ny zoma ho avy izao,

Card image cap
26-sept-2023

Miha mandroso ny fotoanan’ny fifidianana raha ho voatazona amin’ny 9 novambra ihany satria afaka iray volana roa volana eo dia higadona izany.

Card image cap
26-sept-2023

Distrika 2 ao amin’ny faritry vakinakaratra indray no notsidihin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina ny alahady 24 septembra teo.

Card image cap