airtel

Politique

23-oct-2025

Ahiahy momba ny Praiminisitra

Mitaky asa sy vokatra mahomby

Sample post image

haingana raha tsy te hiongana…

23-oct-2025

Governemanta hifantoka amin’ny asa sy vokatra, fa tsy kabary no hapetraka ! Io no nambaran’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo omaly taorian’ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny nodimbiasany dia ny Jeneraly Zafisambo Ruffin teny Mahazoarivo. Naneho ny finiavany hitondra fanatsarana lehibe amin’ny asa fanarenana haingana sy fampandrosoana an’i Madagasikara, hitandro ny ara-drariny, ho hentitra amin’ny tokony hananan’ny rehetra fahitsiana, ary tsy handefitra amin'ny fanararaotana sy ny kolikoly na koa fanaovana ampihimamba ny harem-pirenena sy ny fananam-bahoaka ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo. Nambarany, fa efa manomboka ao anatin’ny fotoana vaovao isika, ka mila hamafisina ny fihavanana sy ny fiombonam-pon’ny Malagasy, ary indrindra ny fiaraha-mientana hitarika ho amin’ny fandriampahalemana sy ny fahamarinana ary ny fahombiazana, izay nambara fa lalan-tsaina hananganana ny governemanta. Nambara fa tsy maintsy hatsangana faran’izay haingana ny governemanta izay ifampidinihana amin’ny Filoham-panjakana. Tsy maintsy hanao tatitra isan-kerinandro momba ny fahavitan’ny iraka na vita na tsia ireo minisitra. « Raha tsy mahomby ny governemanta dia anatiny aho », hoy ity Praiminisitra ity... Iray volana moa no omen’ny Filoham-panjakana Kolonely Michael Randrianirina ny Praiminisitra hanehoana ny dingana mikasika ny fanavaozana ny Firenena. Mbola tsy lefy ny adihevitra manodidina ny fanendrena an’ity Praiminisitra ity, ka ny ho fomba fiasany sy ny fanapahan-kevitra raisiny, ary ny fahombiazany na tsia no mety hanamarina na handiso ny ahiahian’ny olona mikasika azy sy ny fomba nisafidianana azy. Tsikaritra rahateo omaly ny fisiana olona misy aloky ny mpitondra teo aloha teny Mahazoarivo ka asa mbola ho mpiara-miasa amin’ny Praiminisitra vaovao ? Tsy afaka ny hitamatama noho izany ny Fitondrana ankehitriny eo anatrehan’ny fihazakazahan’ny toe-draharaha satria tsapa ho somary mafampana ihany ny toe-draharaha na politika io na sosialy na toekarena. Ny governemanta mbola tsy mitsangana, ny Praiminisitra somary tratry ny krizy ara-pahatokisana na « crise de confiance », ny Antenimierampirenena misafotofoto, ny delestazy mihamafy, mitohy ny fitakiana sendikaly samihafa izay misy ny tsy mankasitraka ny praminisitra,… Na izany aza, tsikaritra ihany ny finiavana hanao zavatra, raha ny fihazakazahan’ny fanapahan-kevitra tao anatin’ny 48ora. Efa nilaza ny Praiminisitra fa tsy hisy fomba ratsy teo aloha hijanona intsony. Hanao « tolérance zéro » amin’ny kolikoly ka tsy asian-kavana. Nandray fepetra hentitra hiarovana ny fananam-panjakana sy volam-panjakana ka hampanao fanadihadiana ireo olona ambony sy namoaka tsy fahafaha-mivoaka any ivelany. Mampiseho sary fanenjanana hisian’ny Fanjakana tan-dalàna,… Zava-dehibe izany, saingy tsy afaka mitamatama ny Filoha sy ny Praiminisitra eo anatrehan’ny ambana sy krizy amin’ny endriny samihafa tsy maintsy hatrehina.
Toky R


 

Dans la même rubrique

04-mars-2026

fiaraha-miasa amin’ny BRICS

Card image cap
04-mars-2026

Azon'ny PACsy ny Fitsarana tsotra sy enjehina Ramonjavelo sy Ravalomanana

Card image cap