airtel

Politique

17-juin-2025

Alain Andriamiseza

«Ahiana hiditra amina kihon-dalana

Sample post image

tena mbola tsy hitany ny malagasy!»

17-juin-2025

Mampanahy ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao, hoy ny filohan’ny vondrona politika HIFIMM sady filohan’ny antoko politika MCDM, Alain Andriamiseza. Izay maneho hevitra rehetra, hoy izy, dia tonga amin’ilay fitenin’ny tanora hoe mihinana gagazo ny ankamaroany. Etsy ankilany moa dia misy ny manangana milisy manokana izay mahazo fahazoan-dalana. Misy koa ny olona efa maneho ny hatezerany izay tsy azo omena tsiny satria na ny tenako aza dia isan’izany noho ny tsy fisian’ny rano sy herinaratra ary efa mahasahy mivoaka na inon-kidona na inon-kihatra. Any amin’ny tambazotran-tserasera any aza moa hitantsika fa misy ny tanora sahy miteny mihitsy hoe «Tifiro izahay raha hitifitra ialahy!» na «Avoahay ny basin’ialahy!». Efa lasa lavitra dia lavitra no dikan’izany ny olana eto amin’ny firenena. Ny hifamono ve izany no tanjona eto amin’ity Madagasikara malala ity? Tena mampalahelo ilay zava-mitranga ary ahiana hiditra amina kihon-dalana tena mbola tsy hitany mihitsy ilay vahoaka malagasy na dia efa miforitra sy mangina aza! Tsy misy mafy tsy laitran’ny hatezerana nefa ary hita maneran-tany izany. Ny kaominina izao dia zara raha misy vola iasana fa dia maka any amin’ny tsena, fifamoivoizana, any amin’ny vahoaka ihany izao ny kaominina, raha ny tena marina no mba mahita vola iasàna. Be dia be ny vola tokony hiditra any amin’ny kaominina amin’izao fotoana izao nefa no lasa any amin’ny fanjakàna foibe. Mitongilana tanteraka no dikan’izany any amin’ny fikarakaràna fiainam-bahoaka, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap