sy fanendrena nataon’ny filoham-pirenena izao, hoy ny vondrona politika HIFFIM na Hetsika iombonana ho an’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara. Ny nandrasana tamin’ny filoham-pirenena, hoy ny filohan’izy ireo, Alain Andriamiseza, dia ny fampihavanam-pirenena ary izahay HIFFIM no isan’ny voalohany nangataka izany. Ny tenako, hoy izy, dia efa nilaza hoe alao ny minisitra sy ny praiminisitra. Ny antony angatahana izany dia andehanana any amin’ny fifampidinihana Hahatongavana any amin’ny fampihavanam-pirenena izany. Hatairana no nandrenesana ny zava-nitranga ankehitriny. Tsy mampilamina ny firenena mihitsy izao zava-mitranga izao fa hitondra antsika any amin’ny korontana bebe kokoa izao! Miaramila no notendrena. Midika izany fa miandry baiko, miandry izay avy any amin’ny filoham-pirenena, indrindra, herim-pamoretana, raha izao mitranga izao. Mamono ankizy, mamono tanora, mandratra zazakely, misy ny maty, misy ny maratra. Izay no atao hoe mpitandro filaminana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ka tsy azo ekena. Ny vahoaka no tompon’ny fahefàna voalohany. Tsy vitan’ny hoe miaramila no notondroina fa Ikotozafy ihany no Lexis. Io olona io dia tsy iza fa talen’ny kabinetran’ny praiminisitra teo aloha. Tsy ny praiminisitra teo aloha, amin’ny maha izy azy, no manahirana fa ny fomba fitantanana tsy mahomby, ny fanomezana zo fototra tsy tontosa, ny fitotongan’ny harinkarem-pirenena, ny fahantran’ny malagasy. Raha ny eo ihany no asolo ny teo dia tsy misy ilàna an’izany. Efa naman’ny governemanta maty am-pitoerana io hitsangana io satria izay mpanohitra hiditra amin’io governemanta io dia Jodasy amin’ny vahoaka malagasy. Hamadika ny vahoaka malagasy ary isan’ny hitsetsitra azy. Manohana tanteraka ny hetsi-bahoaka ankehitriny ny HIFFIM. Mitsangàna ry vahoaka malagasy! Mitsangàna ianareo tanora! Latsaka an-katerena ny firenena. Tsy azo avela amin’izao ny hoavin’ny ankizy, hoy hatrany ny HIFFIM.
J. Mirija