mahatsapa izy ireo fa tsy mandeha mizotra mankany amin’ny takiany ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ka mampaneno lakolosy izahay, hoy ny filohan'ny vondrona politika HIFFIM, Alain Andriamiseza, tamin'ity anio ity. Afaka herinandro dia lany ny roa volana izay nampanantenain’ny filohan’ny tetezamita mpisolo toerana satria mbola ao avokoa ireo rafim-panjakana rehetra izay napetrakin’ny lalampanorenan'ny repoblika faha 4, hoy izy. Araka ny voalazan’ny didy izay navoakan’ny HCC izany. Hitantsika fa ny olona tao anatiny ihany no namboarina raha ny andrim-panjakana mijoro no resahina ka ny 99 isan’jatony dia mbola tamin’ireo rafitra izay nanahirana ny malagasy dia ny Antenimieram-pirenena, ny antenimierandoholona, ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana na HCC, ny CENI izay mikarakara fifidianana, izay nametraka olana foana teto amin’ny firenena satria nampitaraina ny vahoaka malagasy ny fihetsika izay nataon’ireo olona tao anatiny. Tsotra ny teny avy aminay dia hoe " tsy mbola izao ny fanovana!", noho izany misy ny fiantsoan’ny FFKM dia manambara ny tenako manokana eto, tsy amin’ny anaran’ny antoko akory fa tsy nanatrika izany aho noho ny fanambarana nivoaka tamin’ny tambazotran-tserasera fa nasaina ny filoha teo aloha , izay hialako tsiny amin’ny FFKM raha sandoka izany fanasana izany. Ny olona izay niteny fa nasaina ny filoha teo aloha dia olona lehibe. Nilaza ihany koa ny minisitry ny serasera fa tsy marina ny fanasana ny filoha teo aloha kanefa hoy hatrany izy hoe tsy nisy fanambarana avy amin’ny FFKM ny amin’izany. Etoana dia malahelo izahay ary mahatsiaro voatohitohina manoloana ny zava-misy satria ny marina no resahina. Ny fanovana tsy maintsy miaraka amin’ny marina! Ny marina tsy maintsy miaraka amin’ny fanovana. Tokony tsy hifanilika andraikitra satria ny antony hanaovana izany fikaonandoham-pirenena izany dia ny tokony hanasana avokoa ny olona rehetra ary tsy fantatra hatreto hoe iza no marina iza no diso fa anjaran’ny tsirairay no miheritreritra. Tsy izany mihitsy no atao hoe mankany amin’ny fanovana. Ny zavatra tianay tenenina dia tsotra. Tsy ekenay ny famitapitahana ny vahoaka malagasy ary tsy ekenay ny fanaovana tsindriazolena ny vahoaka malagasy na avy aiza io na avy aiza satria izay no nitoloman’ny vahoaka malagasy. Nisy aina nafoy tao ary aina nafoy tsy avelantsika ho verivery fotsiny fa heverintsika kosa fa hitondra antsika malagasy mankany amin’ny tsaratsara kokoa. Mazava ny teninay fa fanovana no ilainay ary revolisionina no ilainay. Izahay Tafita, fikambanana vaovao vao hitsangana hivory amin’ny 17 desambra ho avy izao. Kaongresy voalohany hiatrehanay ny raharaham-pirenena io ka milaza izahay fa tsy hiray tsikombakomba mandrakizay amin’ireo izay namadika tanindrazana sy ireo voagejan’ny mpanjanaka fa hitaky sy hikatsaka ny fahafahan’ny malagasy sy ny fampandrosoana ny malagasy mandrakariva, hoy hatrany i Alain Andriamiseza.
Nangonin'i J. Mirija