airtel

Politique

23-janv-2025

Andohanilakaka

Nofoanana sy haverina ny fifidianana

Sample post image

Haverina ny fifidianana any Andohanilakaka araka ny didin’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny

23-janv-2025

ifanaovana amin’ny Fanjakana na ny TAF tao Fianarantsoa omaly. Raha hiverena ny vokatra navoakan’ny SRMV sy ny CENI, nitarika tamin’ny elenelam-bato 738 i Rakotonirina Jean Pierre kandida tsy miankina, saingy notorian’ny kandida IRMAR kosa ity farany, ka dia izao niafara amin’ny hoe hamerenana ny fifidianana izao. Voka-pifidianana tamin’ny Birao fandatsaham-bato 19 amin’ny 34 no nofoanan’ny Tribunal Administratif na TAF raha ny didy nivoaka ny alahady 19 janoary teo noho ny fanenjehana natao an'Atoa Rakotonirina Jean Pierre na kandida tsy Miankina Ranirina Tsy Ambara Fa Hay lahara faha-4 nahazo vato 2793 (50,70%), notorian'ny kandida Irmar laharana 1 Ratsimanotry Razafiarison nahazo vato 2055 (37,30%). Ny didim-pitsarana ny zoma teo no nanafoana ny voka-pifidianana tamin’ny ampahany, saingy io nofoanana tanteraka sy averina io ny fifidianana natao ny 11 desambra 2024 lasa teo. Nisy ny fihetsiketseham-bahoaka tao anatin’ny roa andro izay, tsy manaiky ny hoverezin-jo satria ny fokontany 5 amin’ireo 10 ao amin’ny kaomina Andohanilakaka no nofoanana tao anatin’izany, saingy lasa ny fifidianana manontolo ankehitriny. Hangotraka ny fitakiana raha tsy araka ny safidim-bahoaka no hivoaka amin’ny alarobia, ary tsy matahotra fa manana ny marina sy ny maro an’isa, hoy ireo vahoaka ny fiandohan’ny herinandro teo. Tsy nitady famerenana fifidianana fa ny fandresena avy amin’ny safidim-bahoaka izy ireo. Hilamina ve ny ao Andohanilakaka manoloana ity fanafoanana sy famerenana fifidianana ity ? Resy ny IRAMAR dia averina ny fifidianana fa mba misy mifamadika amin’izany ve hoe : mandresy ny IRMAR dia misy fifidianana averina ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

17-mars-2025

Mpanao politika, mpikatroka TIM, Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra

Card image cap
17-mars-2025

Ankoatra ny fahatsiarovana ny tolom-piavotana tamin’ny 1947, anisan’ny ahatsiarovana

Card image cap
17-mars-2025

Raikitra ny rombo, nandriaka ny ra noho ny antony ara-politika tao amin’ny Kaominina

Card image cap
14-mars-2025

Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia

Card image cap