airtel

Politique

01-avril-2026

Andrimaso ho an’ny Filoha

nolazain’ny CR Analamanga

Sample post image

Lojika satria mbola misy tsy maty voalavo an-kibo !

01-avril-2026

Lasa fanenjehana olona ! Miasa ny Faritra !» Nanao fanambarana ny Fiadidian’ny Faritra Analamanga tamin’ny alalan’ny Tale Kabinetra Atoa Andrianirina Albyn omaly manoloana ny heverin’izy ireo fa fanaratsiana be fahatany sy faminganana samihafa. « Ny faritra Analamanga izay tarihin-dRtoa Clémence Raharinirina dia miasa, ary tena miasa, nanomboka tamin’ny fandraisana ny fahefana ny 26 desambra 2025. Betsaka ny asa efa natao, ary somary mafy ihany raha tsy hilaza afatsy ny fakana ireo «engins » an’ny Faritra Analamanga izay tany an-tokontanin’ny mpitantana teo aloha no nalaina. Nanano sarotra ny famindrana azy ireo ary tsy araka ny nilazana azy fa manara-penitra, fa betsaka no simba, izay nezahina novitaina hatramin’ny farany sy efa afaka miasa avokoa izy ireo amin’izao fotoana izao », hoy ny Tale Kabinetra. Mandeha ny asa, vao tsy ela ny nitokanana ny EPP Betafo Ambohimanarina izay navao-zin’ny Faritra tanteraka. Mandeha ny fanajariana ny làlana toy ny fanampenana lavaka eto Antananarivo, ny fanamboaran-dàlana toy ny eny amin’ny Distrikan’Atsimondrano anatin’ny kaominina Ampanefy izay vita soa aman-tsara ary mikisaka eny Soalandy ny manaraka, ny làlana makany amin’ny distrikan’Andramasina eo amin’ny 160km izay efa mandeha ny asa. Tsy mitombina noho izany ny filazana sy fanaratsiana fa lany andro mifamaly amin’ny facebook ny lehiben’ny faritra fa tsy misy zavatra man-deha. « Marina ihany koa ny nolazainy fa tokony harovana ny Filohan’ny fanavaozana, hanao andrimaso fa tsy andrimasom-ponkonolona, izay fahamailoana mialoha amin’ny zavatra mety ho ratsy. Raha andrimasom-pokonolona aza dia efa nisy ny tahaka izany ny 2009 teny amin’iny làlan’i Iavoloha iny rehefa namaivay ny raharaha, ka inona moa no maharatsy an’izany amin’izao sa rehefa ry zareo no misioka dia voromanga fa rehefa ny hafa dia vorondolo », hoy hatrany Atoa Andrianirina Albyn. Nambarany fa tonga hatramin’ny fanenjehana manokana na « attaque personnelle », ka raha resaka fanoherana dia tokony holanjalanjaina ihany ilay fanoherana eto amintsika fa lasa mirefarefa amin’ny tany satria hevitra no miady kanefa tonga hatrany amin’ny fanenjehana olona sy fanivahivana. « Izay no mahatonga anay mijoro miaro ny Lehiben’ny Faritra Analamanga. Anisan’ny angady nananana ny fanavaozana ny tenany izay sahy mijoro, ary nanampy azy ny PRRM amin’izao fotoana izao », hoy hatrany ny fanazavana. Namafisiny, fa tena mbola misy ny forongony, misy ny fampiasana vola entina hanakorontanana, ka lojika ny fanaovana andrimaso. Nanamafy ny mpalotsaina teknikan’ny Lehiben’ny Faritra Atoa Ratiharison Jean Navadahy, fa na inona na inona holazaina dia tsy afaka hokosehina amin’ny tantaran’ny tolona, indrindra ny septambra 2025 izany Clémence Raharinirina izany, ka tsy mahagaga raha misy mitondra amin’ny adihevitra mivaona sy fanenjehana satria mbola misy ny tsy maty voalavo an-kibo. Hamafisinay ny teny nataon’ny Lehiben’ny Faritra fa tokony hatao, ary hitaomana ny olom-pirenena rehetra ny fahamailoana amin’ny tokony hanaovana izay andrimaso izay satria raha ny fivezive-zen’ny fitaovam-piadiana sy fiparitahan’ny vola ireny, dia iza amintsika no sahy hiteny fa ilaina ny fiverenan’ny mpitondra teo aloha izay mbola manana ny hery ara-bola hoentina miverina amin’ny fampiasana an’ireny ? hoy Ratiharison Jean Navadahy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap