airtel

Politique

27-juil-2026

Monja Roindefo Zafitsimivalo

«Adidin’ny fiangonana ny mijoro»

Sample post image

Tsy manaisotra ny adidin’ny fanjakàna

27-juil-2026

amin’ny tsy maintsy amerenana amin’ny laoniny ny fiainam-bahoaka ny firaisam-bavaka ho an’ny firenena teo ambany fiahian’ny FFKM, izay iombonan’ny fiangonana Anglikanina, ny Katolika, ny FLM, ny FJKM, hoy ny praiminisitra teo aloha sady filohan’ny antoko politika Monima, Monja Roindefo Zafitsimivalo. Adidin’ny fiangonana kosa ny mijoro ho vavolombelon’Andriamanitra sy ny filazàntsarany nefa, hoy izy, indrindra amin’izao fotoana mahalasa biby ny malagasy sasany izao. Tsy misy fifangaroan-draharahan’ny fiangonana sy ny fanjakàna fa miankina amin’ny feom-panahin’ny tsirairay ny tsy menatra mijoro amin’ny finoany. Tsy maintsy anaty fitoniana ihany no ahafahantsika mamaha ny olana. Na izany aza anefa dia mitaky ny fanafainganana ny fanadihadiana ny fahafantarana ny marina mikasika izao raharaha izao sy ireo tomponandraikitra voalohany nahatonga ireny vono sy tsy fahitàna olona misesisesy eto amin’ny firenena ireny, hoy hatrany ny tenany. Isan’ireo tazana nanontrona ny fotoam-bavaka tetsy Analakely ny zoma teo ihany koa moa ity praiminisitra teo aloha ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

27-juil-2026

Hotanterahina ny 29 sy ny 30 Jolay

Card image cap
23-juil-2026

fahefan’ny mpanatanteraka ny depiote

Card image cap