airtel

Politique

27-juil-2026

FIKAONAN-DOHA

HO AN'NY TANORA Mpizaika miisa 1.000 no andrasana

Sample post image

Hotanterahina ny 29 sy ny 30 Jolay

27-juil-2026

ho avy izao eny amin'ny efitrano fandraisana fivoriana iraisam-pirenena eny Ivato ny fikaonandoham-pirenena ho an'ny tanora, karakarain'ny Ministeran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena. Mpizaika manodidina ny 1.000 isa no andrasana amin'izany avy amin'ny faritra 23, hitondra ny hevitra voahangony nanomboka tamin'ny volana Aprily lasa teo. Nambaran-dRatrimohaja, tale mpandrindra ny hetsiky ny tanora eo anivon'ity Ministera ity fa loha-hevitra miisa 5 no hovohabohasana mandritra izany ary handraisana fanapahan-kevitra. Anisan'ireny ny resaka tontolo iainana, ny kolontsaina, ny politika, ny fitantanana ny raharaham-panjakana amin'ny ankapobeny ary farany izay tsy kely akory dia ny resaka sosialim-bahoaka. Tanora mpanao politika, mpandraharaha, mañana fahasembanana ary mpianatry ny oniversite no andrasana handray anjara amin'izany no sady haneho hevitra. Tsiahivina moa fa ny 80%-n'ny mponina eto Madagasikara dia tanora avokoa. Izy ireny no tena antoky ny fampandrosoana noho izany, indrindra fa ny faritra niaviany.
Pati
Légende : Antsoina hamonjy ny fihaonana ny tanora rehetra !
 

Dans la même rubrique

17-sept-2026

isika rehefa mitazona repoblika faha 4»

Card image cap
17-sept-2026

faharavan’ny Fanjakana jadona

Card image cap
16-sept-2026

Hijanona ho VFM hatrany na dia

Card image cap
16-sept-2026

ny vahaolana haingana»

Card image cap
16-sept-2026

ara- politika atsy Maurice

Card image cap