Fitiavan-tanindrazana sy tombotsoan’ny olom-pirenena no mibaiko ny solombavambahoaka" mikasika ny asa ataon’ny Vaomiera mpanadihady ny orinasa JIRAMA eo anivon'ny Antenimierampirenena ka "tsy hihemotra amin’ny asa efa natomboka izy ireo na misy mandrahona aza, ary hijoro hatramin’ny farany", hoy i Pety Rakotoniaina, mitarika io Vaomiera io. Hiaraha-mahita hoy ity farany fa "tsy mahafa-po ny mpanjifa ny kalitaon’ny tolotra omen’ny JIRAMA, nisy kolikoly avo lenta tao ary nisy tompon’andraikitra tamin’izany. Teo ihany koa ny fatiantoka niainan’ny orinasa nandritra ny taona maro (...) Izany indrindra no mahatonga ny solombavambahoaka manao fanadihadiana azy satria azon’ny Antenimierampirenena atao ny manadihady ny orinasa na sampandraharam-panjakana, mamakafaka, mijery ny anton’ny tsy nampahomby. Noho izany, lavina ny filazana fa mitady laza na mitsabaka amin’ny fahefan’ny mpanatanteraka ny depiote manao izao fanadihadiana izao". Sarotra, hoy i Pety Rakotoniaina ny fampandrosoana raha mitohy ny fatiantoka mihoam-pampana iainan’ny orinasa JIRAMA satria sakana lehibe izany ka ilaina fanadihadiana, ahitana ny lesoka ary ahafahana mandroso vahaolana hanarenana ny fitantanana ka hisitrahan’ny vahoaka Malagasy tolotra ara-drariny". Mikasika ny fifanarahana amin’ny mpandraharaha tsy miankina no notohizan'ny fihainoana ny tompon’andraikitra ao amin’ny JIRAMA omaly.
Jean D.
Nifarana ny fitsidihana ofisialy