andro marihina maneran-tany entina mampahatsiahy fa ny demokrasia dia tsy voafetra amin’ny fifidianana fotsiny, fa velona amin’ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena amin’ny fiainam-pirenena. Natsangan’ny Firenena Mikambana tamin’ny 2007, ho fomba hanamafisana ny fandraisan’anjaran’ny olom-pirenena, ny fampiroboroboana ny zon’olombelona, ary ny fanoherana ny fitantanana Firenena mivaona. Mbola azo ampidirina amin’io ny : fanoherana fitondrana jadona, fitakiana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety,... Eto Madagasikara, ny Transparency International Initiative Madagascar (TI-IM) no anisan’ny mitarika fanentanana manokana mitondra ny lohateny “Demokrasia Mainty”, hetsika feno hafatra manaitra sy fihetsika ara-piarahamonina. Araka ny fanentanana ofisialy navoakan’ny TI-IM, ny demokrasia dia fandraisana andraikitra, fifampiresahana, fanaraha-maso ny fahefana, ary fanoherana ny tsy rariny. Tsy ampy intsony ny fanehoana tsy fifankatoavana amin’ny aterineto, fa ilaina ny fihetsika mivantana: hetsika, fandraisana andraikitra, ary fanamafisana ny feon’ny vahoaka. “Na inona na inona mitranga, ny fahefana dia ho an’ny olom-pirenena foana,” hoy ny fanentanana naneho fa tsy maintsy avadika HO HETSIKA sy ASA izany, mba hampiray ny feontsika ary alao ny toerana tokony ho antsika. Satria, na inona na inona mitranga, ny fahefana dia ho an’ny olompirenena foana ! Aoka henoina ny feontsika. Tsy haingo fotsiny ny demokrasia, fa velona izy rehefa samy maneho hevitra sy manao hetsika ny tsirairay amin’ny fiarahamonina », hoy hatrany ny TI-IM. Ho mariky ny hetsika, dia nanentana ny olom-pirenena hitafy mainty avokoa ireo olom-pirenena maniry hanatevin-daharana. Ny loko mainty dia fanairana fa miala aina ny demokrasia, nefa koa mariky ny fahavononana hiaro azy. Amin’ny alalan’ny fitafiana, ny fizarana sary sy hafatra amin’ny tambajotra sosialy, ary ny fampiasana ny hashtag #DemokrasiaMainty, dia entina mampibaribary fa tsy ekena intsony ny fanilikilihana ny feon’ny vahoaka.“Teraka ny fahefana rehefa mivory sy miara-manao hetsika ny olona, fa lefy izy rehefa miforitra.” Hannah Arendt, io no isan’ny teny fanentanana noraisin’ny TI-IM. Tsara ny manamarika, fa 5,33/10 ny naotin’i Madagasikara amin’ny lafiny demokrasia ho an’ny 2024, raha 5,82/10 no voasokajy ho tsara indrindra vitantsika dia ny tamin’ny taona 2006. Ny « note standard » na tokony ho antoniny anefa raha ny « Democracy Index » nofaritan’ny The Economist Intelligence Unit dia 6,5-7/10 ka mametraka antsika ho mbola marefo hatrany amin’ny lafiny demokrasia.
Toky R