Mitohy ny filalaovan’i Andry Rajoelina ny fihetsem-pon’ny olona amin’ny alalan’ny fampanantenana tsy mety tapitra, ka toy ny propagandy hatrany no fomba fiasa entina miatrika olana. Raikitra indray ny fampantenana ka nilazana fa hiala afaka herintaona raha mbola misy delestazy, tsy hisy delestazy intsony hatramin’ny fifaranan’ny taom-piasany. Efa nitondra tetezamita 5 taona fa tsy nahavita, efa io resaka delestazy io no nanjeheny ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, mbola nanana 7 taona hatramin’izao fa mbola fampanantenana lava. Ara-politika, nilaza fa tsy hirotsaka intsony amin’ny 2028. « Mitadiava ianareo olona hisolo ahy. Be dia be ny mety ho faly ary betsaka no mety hitomany, fa izaho tsy hilatsaka intsony amin'ny fifidianana manaraka », hoy i Andry Rajoelina. Ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-45 no mamaritra fa taom-piasana iray afaka havaozina indray mandeha ihany, ka na niteny an’izany na tsia i Andry Rajoelina dia tsy afaka mirotsaka intsony amin’ny 2028, fa tsy izany no hoentina hanaovana serasera hanakonana ny fitakiam-bahoaka. Tsy vao izao i Andry Rajoelina no nampanatena sy nanome fotoana mikasika ny delestazy, raha tsy hilaza afatsy ny nambara ny 2018 fa 400MW anatin’ny 5 taona, ny janoary 2022 nilazana fa ho foana afaka 6-8 ny delestazy, ny nilazana fa tsy hivoaka ao amin’ny Jirama raha tsy mivaha ny olana,… Milaza fa ajanona ny tetikasa maro fa haompana amin’ny ampahany betsaka ho an’ny tanora,… Endrika maneho sy manamafy fa serasera sy tora-po no lasa aloha. Ny inona indray no hampandeferina mba hakana ny fon’ny tanora ? «Rahampitso ihany dia hasiana « groupes électrogènes » ny oniversite », hoy ny fampanantenana. Heverin’i Andry Rajoelina fa olan’ny jiro sy rano ihany angamba no olana eto, kanefa ny zava-misy dia karazana pitik’afo nampirefotra ny fitakiam-bahoaka iny. Nolazaina fa afaka andro vitsy dia hanao « forage » sy hanao « centre de traitement» hamahana ny olan’ny rano eny amin’ny oniversite. Tsy vao omaly no nilazana toy izany. Ny faramparan’ny volana septambra 2024 no nandraisana tao anaty filankevitry ny Minisitra fa hanao lavadrano 35 (Antananarivo Renivohitra 7, Atsimondrano 14, Avaradrano 7, Ambohidratrimo 7) hamokatra 700m3 avy, mitentina 4,9 miliara Ar ny Fanjakana, ary hanomboka afaka tapa-bolana fa tena nandeha ve ? Dia androany hitanisa fampanantenana hafa indray ! Tora-po no betsaka, fampantenana poakaty sy fampandriana adrisa, tsy fahazakana vory vahoaka,… Miresaka vahaolana miainga amin’ny resaka sy adihevitra fa moa mifanaraka amin’izany ve ny tetibolam-panjakana ? Moa tsy efa fomba fiasany ve ny mampanantena rehefa vory vahoaka, ka mipoitra ny aingam-panahy samihafa : gymnase mahazaka 8000, Villa ho an’ny Barea CHAN, orinasa Gascar, bus 1000, big five,…
Toky R