airtel

Politique

08-oct-2025

Andry Rajoelina

Ny natao no niverina!

Sample post image

Ny tody itsy misy ka ny atao no miverina!»,

08-oct-2025

hoy ny fahendrena malagasy. Raha ny tranga taratra hatreto dia maro ireo mpanara-baovao resy lahatra fa nanody ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, tokoa ny fanonganam-panjakàna nataony sy ireo mpiaradia aminy ny taona 2009. Vita iray andro ny hetsika fanoherana ny tsy rariny rehetra eto amin’ny firenena nanomboka ny alakamisy 25 septambra teo dia niala ny minisitry ny angovo sy akoran’afo. Vita 2 andro dia rava ny governemanta. Vita 3 andro, nanameloka ny herisetra teto amin’ny firenena ny firenena mikambana na ONU. Vita 4 andro, nanameloka ny famoretana ireo olompirenena mitaky zo fototra koa ireo raiamandreny eto amin’ny firenena. Vita ny andro faha 5, niteny ihany koa ny Papa. Ny fihetsika nidina ifotony taorian’ny fisiana fandrobàna sy fandoroana samihafa ny alin’ny 25 septambra teo dia mampahatsiahy ny fidinana ifotony nataon’ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, tamin’ny fotoan’andro ihany koa. Toy izany koa ity endrika fankan-kevitra kimaimaika natao tamin’ireo heverina fa solontenan’ny sehatra rehetra eto amin’ity firenena ity. Tonga eo amin’ny fanendrena praiminisitra isika amin’izao fotoana ary dia toy ny efa nitranga tany aloha ihany tokoa, ny natao no niverina, raha ny hita mahazo ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

05-févr-2026

CENI fa tsy maintsy miandry Fikaonandoham-pirenena"

Card image cap