raharaham-pifidianana kaominaly sy monisipaly teto Antananarivo renivohitra. Tsy any amin’ny hoe nety ve sa tsy ilay fanapahan-kevitra eto no mety hampiady hevitra fa ny azo ambara aloha izany, na tiana na tsy tiana, dia nihemotra ilay demokrasia, raha tsy hiresaka afa-tsy Antananarivo fotsiny aloha. Depiote sisa hany olomboafidy eto Antananarivo Renivohitra. Ny Sefo Fokontany tendrena. Sady tsy hisy Ben'ny tanàna no rava miaraka aminy koa ny filankevitry ny tanàna. Raha ny depiote voafidy teto Antananarivo indray no tsiahivina dia miisa 6 ny avy amin’ny antoko politika TIM. 5 avy amin’ny vondrona IRMAR. 1 avy amin’ny Mouvement Gascar. Ireo anefa izany, raha iverenana ny odidina politika niseho, dia ambara ho tsy mahasolotena intsony ny feom-bahoaka taorian’ny hetsiky ny 25 septambra, nisian'ny tolona farany teo. Isan’ny fanehoan-kevitra nanazava izay ny hoe raha nanao ny asan’ny talohan’ny 25 septambra ireo depiote ireo dia tsy nisy nidina an-dalambe izany akory teo nanala an’ny fitondràna Rajoelina iny fa ireo depiote ireo dia efa nahavita izany. Tsetsatsetsa tsy aritra moa iny fa ho an’ny tao amin'ny filànkevitra monisipaly kosa anefa izany dia azo ambara hoe mba nisy firehan-kevitra maro loko ihany. Nanana «représentation plus large» na hoe voasolo tena betsaka indrindra, na izany aza, ny IRMAR, izay nahitàna ny TGV, Freedom, ADN, AFF sy maro hafa. Nanaraka azy ny TIM. Ny FTT koa tao nahitàna ny antoko politika Tia tanindrazana, ARB, MMM, HE Mada, FMI Malagasy, Lafatra ary ankoatran’ireo moa dia nisy koa ny Mouvement Gascar sy ILo Mada.
J. Mirija