airtel

Politique

27-déc-2024

Antenimierampirenena

Afa-baraka ho fieren-jiolahy !

Sample post image

Niakatra fampanoavana omaly ireo voarohirohy tamin'ny raharaha trafikana sokatra saron’ny zandary teny

27-déc-2024

Antehiroka. Raha hiverenana, sokatra miisa 112, karazana biby voaaro sy tandrovina, no tratran’ny zandary nandritra ny fisafoana natao ny alin’ny 24 Desambra 2024. Tsikaritry ny zandary ny fifamindrana valizy nampiahiahy, ka nahatonga ny fisavana saingy nandà ireo tao anaty fiara. Rehefa nirosoana ny fisavana, dia sarona tanaty valizy tamin'ny fiara roa samihafa ireo. Sokatra miisa 107 ny tao amin'ilay fiara voalohany ary sokatra 5 no tao anatin’ilay fiara faharoa. Nogiazana avy hatrany ireo fiara roa, ary naverina nandritra ny fitanana vonjimaika ireo sokatra. Solombavambahoaka am-perin’asa. Ny depiote voafidy tao Soavinandriana Itasy, Atoa Roméo Ramanatanana miaraka amin'ireo mpiara-miasa akaiky aminy (assistants 2, conseillers techniques 2) no tratra ambodiomby. Depiote lany tamin’ny tsy miankina moa io, fa nisafidy ny hanohana ny fitondrana rehefa nandeha ny kajikajy tao Tsimbazaza. Mety ho tratry ny fanonganana tsy ho depiote na « destitution » noho izy tratra ambodiomby na « en flagrant délit ». Henatra tanteraka ho an’ny andrim-panjakana sy ny Firenena ny tahaka hoe ny mpanao lalàna sy tokony ho fitaratra amin’ny fanarahan-dalàna indray izany itony no tena tompon’ny afera goavana mamotika firenena. Toa manamafy hatrany an’ilay hoe : lasa fieren-jiolahy ny antenimierampirenena. Isan’ny naneho hevitra moa ny Minisitry ny serasera teo aloha Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy mikasika io afera sokatra io sy ny afera volamena hoe : « aoka mba tsy hasiana « Etat d’âme » na solombavambahoaka na olon-tsotra na « chef de service » fa rehefa vandana dia kary. Rehefa mandika lalàna dia saziana hentitra araka ny lalàna manan-kery na iza na iza. Raha tsy misy fanasaziana dia lasa firaisana tsikombakomba ka tsy aza ekena. Aza asiana namana sy kiantranoantrano». Zava-dehibe izany ary isaorana ny fahasahiany, saingy mba fanontaniana ihany no apetraka hoe : nahoana no tsy nisy fitenenana tahaka izany tamin’ireo afera maro nahasaringotra olona ambony eny fa na tao amin’ny Minisitera notantaniny aza tamin’ireny tsenambaro-panjakana mampiahy ireny raha tsy hilaza afatsy ireo nianjera ho azy ? Nahoana no tsy nisy an’izany tamin’ireo afera maro toy ny « écran plat », fanelanana tamin’ny resaka trafikana harena an-kibon’ny tany sy ady tany nahasaringotra minisitra teo aloha,… Minisitra 3 teo aloha farafahakeliny no voasaringotra tamin’ny afera goavana saingy nangina ka sao lasa fialokalofan’ny mpanao afera tokoa ao Tsimbazaza ? Manampy trotraka izany ny fikatsoan’ireo dosie goavana manodidina ny 13 tokony hatolotra hotsarain’ny Fitsarana ambony HCJ saingy tsy mety lany eo anivon’ny antenimierampirenena. Ampahany ireny !
Toky R

 

Dans la même rubrique

12-juin-2025

Noraisin’ny Filohan’ny CENI na ny Vaomieram-pirenena misahana ny Fifidianana

Card image cap
12-juin-2025

Ny fanajàna ny atao hoe demokrasia ho an’ny FLN na Front de libération national dia

Card image cap
11-juin-2025

Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny

Card image cap
11-juin-2025

Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,

Card image cap
11-juin-2025

Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
11-juin-2025

Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,

Card image cap