Isan’ny fanapahan-kevitra noraisin’izao fitondràna izao ny hoe hanao fitsitsiana, hoy ny FLN na Front de libération national. Iarahantsika mahita nefa, hoy ny mpandrindra nasionalin’izy ireo, Iada Jean Pierre, fa na ny fametrahana amin’ny toerana na «installation» an’ireo ambasady isaky ny firenena ireny aza dia vola tsy toko tsy forohana ary vola vahiny. Hiazakazahantsika nefa, hoy izy, ilay izy hanehoana fa eken’izao tontolo izao ilay fitondràna. Faharoa, nirian’ny FLN mihitsy hoe fotoam-bavaka amin’ny maha fotoam-bavaka azy no niseho teny Ilafy ny 19 may teo niaraka tamin’ny FFKM. Maro tamin’ireo nasaina nefa no nanao kabary politika na fanehoan-kevitra politika tanatin’ilay fotoana. Manahirana ihany ny miheritreritra hoe rehefa misy olona ampanaovinao asa mihoatra ny asa nomen’Andriamanitra ho ataony ka omena vola izy ho sandan’izany dia izany no atao hoe risoriso na kolikoly. Manahirana, noho izany, raha amina fotoam-bavaka toy ireny no hitrangana fanolorana volabe tahaka ireny. Hafa mihitsy raha hoe nanao vinavinam-pandaniana tamin’io ny fitondràm-panjakàna dia atolony ara-dalàna amin’ny governemanta ilay izy ka vola ara-dalàna mivoaka avy amin’ny governemanta amin’izay fotoana izay no hiasàn’ny FFKM. Ny taona 2010 no efa nangataka fikaonandoham-pirenena ny FLN. Tsy nanaiky mihitsy ny lalàmpanorenan’ny repoblika faha 4 tsinona ny FLN. Tsy nampifidy olona an’io mihitsy koa. Avy amin’ny vahoaka marina ho an’ny FLN no tokony hivoahan’ny tetikasam-piarahamonina hitondràna ny tany sy ny fanjakàna na ny lalàmpanorenany. Raha izao endriny izao indray nefa no hanaovana fikaonandoham-pirenena dia tsy handray anjara ny FFKM raha ohatra ka mbola mitoetra amin’ny fitanilàna na «unilatérale» sy «pensé unique» izany. Ny tadiavintsika tsinona dia ny haneken’ny rehetra ny tapaka ao ary handraisan’ny rehetra anjara. Tokony hisy koa lohateny mazava, fandrindràm-potoana mazava, fandaharam-potoana mazava. Ny fanintsiana tokony atao izany dia satria hoe ho atomboka eny amin’ny fokontany izy io, ny fokontany nefa sady tsy misy dabilio no tsy misy efitrano lehibe hahafahana mandray ny fokonolona. Tsy mbola nisy hatramin’ny androany fanofanana ny eny amin’ny fokontany mikasika ny fomba tokony handraisany izany fikaonandoham-pirenena izany. Ny fokonolona no handray ny fikaonandoha fa tsy hoe olona avy any an-dapa no alefa any amin’ny fokontany hikarakara fikaonandoha dia ilay vokatra efa any am-paosy indray no ho avoaka sy lazaina fa vokatry ny fikaonandoham-pirenena avy eo, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
Nesorina ny zo fiarovana ara-parlemanta na ny