airtel

Politique

06-janv-2026

Antenimierampirenena

Depiote IRMAR 5 hiongana…

Sample post image

Depiote IRMAR miisa 5 eo no voalaza fa

06-janv-2026

hoesorina amin’ny toerany amin’izao fotoana izao vokatry ny tsy fanatrehana fivoriana nandritra ny fotoana maharitra, ka efa natao ny dingana mikasika izany teny amin’ny HCC, raha ny voalazan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko, notaterin’ny fampahalalam-baovao samihafa omaly. Ny 30 desambra 2025 teo moa no efa niresahan’ny teto amin’ny Gazety Tia Tanindrazana mikasika an’io satria azo heverina ho mitovy amin’ny tranga sy antony nanonganana ireo loholona teo aloha miisa roa dia Atoa Richard Ravalomanana sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy ny an’ireo depiote ireo. Raha raisina amin’izay, dia azo heverina ho didy fakan-tahaka na « jurisprudence » ny nahazo an’ireo loholona roa napetrak’i Andry Rajoelina ireo, rehefa tsy tonga nanatrika ny fivoriana manontolo nandritra ny « session budgétaire », tsy nisy porofo tena azo noraisina nanamarina ny tsy fanatrehana, ka noraisina ho toy ny nanala tena, ary nohamarinin’ny HCC ny fahabangan-toerana sy ny fionganana. Ho an’ny etsy Tsimbazaza, mbola tsy ofisialy hoe iza avy saingy anarana re fa mety ho tratran’izany ireo depiote tsy tazana nivory taorian’ny fitsimbadihan’ny fitondrana ka nionganan’i Andry Rajoelina. Anisan’izany i Naivo Raholdina, Lanto Rakotomanga, Tinoka Roberto, Irma Naharimamy,… Anarana mandehandeha ihany koa moa ny an'i Jocelyne Maxime voafidy tao Antsiranana sy Rahantanirina Lalao voafidy tao Mahajanga I. Ny fivadihana sy fiovana vondrona parlemantera ary ny fivaonana amin’ny lalàm-pitondrantenan’ny Vondrona parlemantera misy azy no tena antony lehibe hahafahana manongana depiote iray raha ny voafaritry ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-72, toy ny nataon’ny IRMAR tamin’ny Filohan’ny Antenimierampirenena teo aloha Rtoa Christine Razanamahasoa izay nanaovana kopisoroka. Mitovitovy amin’io ihany koa no nanonganan’izy ireo ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha Atoa Herimanana Razafimahefa. Ny tranga ankehitriny mikasika ireo loholona efa niongana sy ireto depiote andalam-pionganana ireto kosa, dia karazana fanalan-tena na « abandon de poste », izay hamarinina amin’ny alalan’ny HCC ny fahabangan-toerana. Misy amin’ireo ihany koa moa no manana raharaha ara-pitsarana na dosie maloto, ka mety ho làlana makany amin’ny famohazana ireny raharaha ireny ve eo anatrehan’ny fijoroan’ny Fanjakana ankehitriny hiady amin’ny tsimatimanota ? Ny fanontaniana mipetraka ankoatra izay dia ny hoe : mbola nisitraka ny karama sy tombotsoa samihafa ve izy ireo tao anatin’izay volana vitsivitsy tsy nanaovany ny asany izay ka aorian’ny mety ho fanapahan-kevitry ny HCC vao hitsahatra tanteraka izany ?
Toky R 

Dans la même rubrique

29-avril-2026

Nampanantsoina ny Ambasadaoro Frantsay,

Card image cap
28-avril-2026

ara-panahy ny hoe anjaran’ny atsimo izao»

Card image cap
28-avril-2026

Avelao aloha hiasa ny Mpitondra

Card image cap
28-avril-2026

Tsy misy vahaolana afa-tsy fanovàna rafitra»

Card image cap