airtel

Politique

10-juin-2026

Antenimierampirenena

Nifanasa vangy i Siteny sy Milavonjy

Sample post image

Mitohy ny toe-javatra kisampontsampona

10-juin-2026

ao amin'ny Antenimierampirenena. Nifanasa vangy na nifandrangitra ny Filohan'ny Antenimierampirenena Siteny Randrianasoloniaiko sy ny π–₯π—‚π—…π—ˆπ—π–Ί 𝗅𝖾𝖿𝗂𝗍𝗋𝖺 π–Ώπ–Ίπ—π–Ίπ–Ώπ—‚π—π—ˆ (𝖡𝖯𝖠𝖭 π–Ώπ–Ίπ—π–Ίπ–Ώπ—‚π—π—ˆ) π–Ύπ—ˆ π–Ίπ—‡π—‚π—π—ˆπ—‡'𝗇𝗒 𝖠𝗇𝗍𝖾𝗇𝗂𝗆𝗂𝖾𝗋𝖺𝗆𝗉𝗂𝗋𝖾𝗇𝖾𝗇𝖺, π–½π–Ύπ—‰π—‚π—ˆπ—π–Ύ π–¬π—‚π—…π–Ίπ—π—ˆπ—‡π—ƒπ—’ π–―π—π—‚π—…π—ˆπ–»π–Ύπ—‹π—, 𝗂𝗓𝖺𝗒 π—π—ˆπ–Ίπ–Ώπ—‚π–½π—’ π—π–Ίπ—ˆ π– π—†π–»π—ˆπ—π—ˆπ—†π–»π–Ύ π– π—‡π–½π—‹π—ˆπ—’. Ity farany izay mafana fo sy anisan'ireo akanga sisa nanamborana miaro mafy an'i Andry Rajoelina sy Mamy Ravatomanga miampy ireo mpanao politika sy olom-boafidy volomboasary voarohirohy amin'ny afera maizina maro, ary tsy mitsahatra mitsipona sy mitsongoloka ny fomba hanakianana sy hamelezana ny Fanjakana Fanavaozana. Teo am-panolorana 𝗇𝗒 𝖺𝗇𝖺𝗋𝖺𝗇’π—‚π—‹π–Ύπ—ˆ π–½π–Ύπ—‰π—‚π—ˆπ—π–Ύ 𝗂𝗓𝖺𝗒 π—π—‚π—π—ˆπ—‡π–½π—‹π–Ί π–Ώπ–Ίπ—‡π—ˆπ—‡π—π–Ίπ—‡π—‚π–Ίπ—‡π–Ί π—π—ˆ 𝖺𝗇’π—‚π—‹π–Ύπ—ˆ π–¬π—‚π—‡π—‚π—Œπ—‚π—π—‹π–Ί no π—‡π–Ίπ—‡π–Ίπ—ˆ lohaten𝗒 mandrangitra ny PAN Siteny Randrianasoloniaiko, izay toa sangisangy zary tenany. «...Ny mahagaga ahy dia ny anaran'i ho Lehiben'ny mpanohitra mandrakizay no voasariko voalohany. Marina fa tsy tenin'Andriamanitra rahalahy, fa vavako tamin'Andriamanitra ilay izy fa efa nomeko anao io andraikitra io, napetrako taminao, enga anie ho mandrakizay mandrakizay ianareo ho mpanohitra ary ho mandrakizay mandrakizay izahay hitondra ity Fitondrana ity.", hoy ny PAN Siteny Randrianasoloniaiko. 𝖭𝖺𝗆𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗇’π—‚π—ˆ 𝗍𝖾𝗇𝗒 π—‚π—ˆ 𝗂𝗁𝖺𝗇𝗒 π—„π—ˆπ–Ί 𝖺𝗇𝖾𝖿𝖺 𝗇𝗒 π–½π–Ύπ—‰π—‚π—ˆπ—π–Ύ π–¬π—‚π—…π–Ίπ—π—ˆπ—‡π—ƒπ—’ Philobert, raha nitafa tamin'ny π—†π—‰π–Ίπ—‡π–Ίπ—ˆ 𝗀𝖺𝗓𝖾𝗍𝗒 ka 𝗇𝗂𝗅𝖺𝗓𝖺 𝖿𝖺 π—π—Œπ—’ 𝗂 𝖲𝗂𝗍𝖾𝗇𝗒 (𝖯𝖠𝖭) π—†π—‚π—π—‚π—π—Œπ—’ π—‡π—ˆ 𝗁𝖺𝗆𝖺𝗋𝗂𝗍𝗋𝖺 𝗇𝗒 π–Ίπ—†π—‰π—‚π—π—Œπ—ˆπ—‡π—’ 𝖿𝖺 𝖠𝗇𝖽𝗋𝗂𝖺𝗆𝖺𝗇𝗂𝗍𝗋𝖺. "Tsy tenin'Andriamanitra hoy izy ny tenin'ny PAN, tsy manana fahefana feno izy ka hamaritra ny ho aviko,...", hoy i Milavonjy Philobert. Asa na taratry ny demokrasia araka ny filazana fa "lapan'ny demokrasia" ny ao an-toerana na taratry ny fidinan'ny lentan'ny fanaovana politika? Ity andrim-panjakana ity izay tsy vao izao no nisehoana trangan-javatra hafahafa manaratsy endrika ny fanaovana politika. Betsaka ny toe-javatra manaratsy endrika ilay fitondram-panjakana toa nisy fotoana efa lapan'ny malety, lapan'ny fisolelahana, lapan'ny famadihana palitao, lapan'ny mpanao afera sy kolikoly, lapa fialokalofan'ny mafia,...
Toky R
 

Dans la mΓͺme rubrique

10-juin-2026

fitsinjarΓ m-pahefΓ na Ben’ny tanΓ na amina

Card image cap
05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozanaΒ»

Card image cap