airtel

Politique

22-mai-2025

Antenimierampirenena

Sarin’ady sisa tazana!

Sample post image

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

22-mai-2025

nanomboka tamin’ny andron’ny raharaha malety na Paon d’or tao anatin’ny fitondràna Rajaonarimampianina. Tao anatin’izay koa ny resaka vola 2 baoritra sy ny resaka «maimbo helika», izay nitohy tamin’ny fipoirana zava-mamoha henatra na «scandale» mikasika ny fiainana manokan’ny depiote iray ka niparitahan’ny sariny nitanjaka tany anaty tambazotran-tserasera. Niaraha-nahita niharihary ireny fitsipaham-pitokisana nitsefotra ireny nefa dia niarahan’ny mpanara-baovao nahita izao ireo sonian’ny maro an’isa neverin’ny maro fa tena nahafahana nanongana ny praiminisitra, Ntsay Christian. Ny filohan’ny antenimieram-pirenena tamin’izany fotoana, Christine Razanamahasoa, indray aza no nesorina tsy ho solombavambahoaka intsony mihitsy. In-droa mientaona no nitrangan’izany fitsipaham-pitokisana tsy tafita izany na dia niaraha-nahita aza fa samy voasonian’ny maro an’isa. 8 taona lasa izay, parlemantera maro an’isa no nitsipaka ny fiakaran’i Ntsay Christian teo amin’ny fitantanana ny primatiora, ny maraina, saingy nanaiky mora foana izany indray ny hariva. 8 taona aty aoriana. Mbola io ihany ilay praiminisitra ary mampametra-panontaniana ny maro hoe inona izany no tena vitany teto amin’ity firenena ity na fifandraisany manokana amin’ny filoham-pirenena no dia tena tsy mety foiny hiala eo amin’io toerany io mihitsy ity praiminisitra ity. Ankehitriny dia nifidy 100% ny depiote avy amin’ny fitondràna ho filohan’ny antenimieram-pirenena ny depiote ambara hoe avy amin’ny fanoherana. Taorian’izay moa dia tsy nisy koa ny hoe fifidianana filohan’ny fanoherana anaty antenimieram-pirenena fa dia nanaiky izay notendren’ireto maro an’isa ho filohan’izy ireo fotsiny koa ireto hoe depiote mpanohitra. Lasa sehatra fanaovana vava be sisa ilay antenimieram-pirenena, hoy ny mpanao politika sasany izay, satria dia io no afitsok’ireo 15 mianadahy misolontena ny fanoherana ao. Tena mba miady ho an’ny tombontsoam-bahoaka tokoa ve ary afaka miady? Niaraha-nahita aloha iny fa ilay nofidian-drizareo 100% mihitsy no nanakana ny fikasàny hihaona tamin’ireo minisitra nambarany hoe mila mamaly ny fanontaniany. Hanao ahoana koa ny manaraka? Hatreto, sarin’ady sisa tazana eny amin’ity andrim-panjakàna ity!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-juin-2025

Hafahafa, mampalahelo ilay zava-misy ankehitriny, hoy ny mpanao gazety,

Card image cap
10-juin-2025

Mikasa hanao fivoriana mikato-trano ao amin’ny Antenimierampirenena amin’ity talata ity,

Card image cap
05-juin-2025

Miteraka resabe ankehitriny ny resaka fitakiana ny fanalàna amin’ny toerany ny minisitry

Card image cap
05-juin-2025

Ny antsoina hoe «état unitaire centralisé» na fanjakàna tokana mivangongo eto Antananarivo

Card image cap
05-juin-2025

Melohinay tanteraka ny fanenjehana nataon’Atoa Filohan’ny Antenimierandoholona teo anivon’ny

Card image cap
05-juin-2025

Andoniaina Andriamalazaray ! Mety hiteraka tsy fitombenan'ny didy navoakan'ny CENI,

Card image cap