hatramin’ny farany ny volavolam-pandaharam-potoana fampanantsoana ireo Minisitra telo tokony ho natao omaly 20 mey, araka ny tolo-kevitra nataon’ny depiote avy amin’ny fanoherana. Nokakerin’ny amboakely tiany ny depiote mpanohitra izay isan’ny nampandany 100% ny PAN ? Ny 7 mey no efa tapaka fa ny 20 mey no handinihana ny lahadiniky ny mpanohitra. Minisitry ny tontolo iainana Max Fontaine Andoniaina sy ny minisitry ny raharam-bahiny Rafaravavitafika Rasata ary minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola Rindra Hasimbelo Rabarinirinaharison no nokasaina hampanantsoina noho ny : raharaha Base Toliara; ny Iles eparses, zom-pirenena Frantsay ananan’i Andry Rajoelina, ny fitantanam-bolam-panjakana indrindra ny tsy fisiana fanintsiana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana no isan'ny hanadinana ireo Minisitra. Nofoanana tamin’ny alalan’ny « sms » tsotra, izany raha ny serasera nataon’ireo depioten’ny fanoherana. « Ambaranay ho fanta-poko fanta-pirenena fa manitsakitsaka ny fitsipika sy lalàna. Voahitsakitsaka ny zo omen’ny lalàmpanorenena anay. », hoy i Siteny Randrianasoloniaiko Filoha lefitra faha-7 ao amin’ny Antenimierampirenena. Ny Filohan’ny antenimierampirenena izay nilaza tany amin’ny fiandohan’ny fivoriana ara-potoana tapa-bolana lasa, fa tsy anatin’ny fandaharam-potoana tapany voalohany ny fampanantsoana ny governemanta, fa any amin’ny tapany faharoa, ny faramparan’ny volana any. Hisy ny « face à face » ary ny resaka nifanaovako tamin’ny praiminisitra dia homeny 2 andro mihitsy ny solombavambahoaka. « Hafa ny « interpellation » sy ny « question réponse » ka sasanangy samihafa ireo. Raha mahay mitantana dia mila mifampihaino, mila mihaino, ary mila miatrika. Mila apetraka amin’ny toerany ny andrim-panjakana,... », hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa Filohan’ny Vondrona Parlemantera Firaisankina. Ny andininy 101 sy 102 amin’ny lalàmpanorenana no isan’ny mamaritra ny fampanantsoana sy ny fifanatrehana, saingy efa an-taonany io tsy dia nisy, indrindra taorian’ny desambra 2022 nisian’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta Ntsay Christian izay notsabahan’ny mpanatanteraka natsefotra an-dalana. Fehezina tanteraka i Tsimbazaza, ka ny lalampanorenana izao aza ohatra milaza ao amin'ny andininy faha-69 fa "solombavambahoakan'i Madagasikara" no iantsoana ireo mpikamban'ny Antenimierampirenena dia ravana amin’ny fitsipika anatiny (andininy 207) fa any amin'ny distrika nahalany azy ihany no afaka manao tatitra ny depiote. Kajikajy politika hifehezana ny fanoherana avokoa no tena fototr'izany. Aiza ilay hoe : lapan’ny demokrasia ? Mikipy ny depiote maro satria ny kapoaka no aravona ?
Toky R
Nisy ny fihaonana nikaton-trano omaly talata 10 jona 2025 maraina tao amin’ny
Tsy sanatria te hisehoseho na te hipoipoitra fa ny tena solombavambahoaka,
Tapitra ny fe-potoana nilazan’ny Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Nirotaka indray ny mpianatry ny Sekoly Ambony Politeknika Vontovorona,
Miainga eny ifotony ny fampandrosoana hoy Andriamanantena Seraphin,
Pastera Heritiana Tsy misy zavatra mandeha araka ny tokony ho izy intsony