airtel

Politique

26-déc-2025

Antenimierandoholona

Niongana i Richard R. sy Lalatiana R.

Sample post image

Voaongana tsy ho loholona iray

26-déc-2025

andro nialohan'ny krismasy ny Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard noho ny tsy fanatrehana fivoriana. Nivoaka ny didy alarobia 24 desambra 2025 teo manambara ny fahaverezan-toerana ho azy, loholona voatendry ny septambra 2023, anisan'ireo 6 notendren'ny Filoham-pirenena teo aloha. Marihina fa noho ny tsy fanatrehany ny fivoriana rehetra nandritra ny "session budgétaire 2025" no anton'ireo fionganana. Araka ny lalàna fehizoro sy ny fitsipika anatiny ao amin’ny Antenimierandoholona, ny Senatera dia terena hanatrika ny asa sy fivoriana, ary raha tsy manatrika ny fivoriana iray manontolo amin’ny "session ordinaire" izy, tsy misy fanamarinana ara-dalàna, dia heverina ho niala ho azy. Ny taratasy fanazavana napetrak’i Ravalomanana Richard dia tsy nekena satria tsy nisy porofo manampy. Ny filohan’ny Antenimierandoholona mpisolo toerana no nanao fangatahana tamin’ny HCC mba hanamarina ny fialan-toerana ary ny HCC dia nanambara fa ara-dalàna sy azo ekena ny fangatahana. Voarakitra ao amin’ny didy ofisialy fa i Ravalomanana Richard sy Lalatiana Rakotondrazafy dia tsy Senatera intsony. Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy izay tsy hita popoka taorian'ny fitsimbadihan'ny Fitondrana. Fampahatsiahivana ny vava nataony mikasika ny delestazy fa azo atao ny midina an-dalambe ary vonona hidina an-dalambe no lalan-tsaina nentin'ny Hetsika Tsy Manaiky Lembenana naneho sy niantso ny vahoaka hidina an-dalambe teny Ambohijatovo ny 25 septambra 2025. Ny fialan-toerana ho azy ireo dia manokatra làlana ho an’ny fanendrena na fifidianana vaovao hanoloana ny toeran’i Ravalomanana Richard sy Lalatiana Rakotondrazafy ao amin’ny Antenimierandoholona ary mampahatsiahy ny maha-zava-dehibe ny fandraisana andraikitra sy ny fanajana ny fitsipika ho an’ireo mpikambana voafidy. Na izany aza, ny Antenimierandoholona mihitsy no efa tsy taratry ny safidim-bahoaka sy ny tsio-drivotra politika intsony ny Antenimierandoholona izay ho tapitra taom-piasana amin'io janoary 2026 io, eny fa na ny Antenimierampirenena aza saingy mbola lavalava ny taom-piasany Sady misy ilay didin'ny HCC fa tsy azo ravana.
FILOHANA ANDRIM-PANJAKANA 4 NO EFA NIONGANA
Raha tsiahivina, niakatra ho Filohan'ny Antenimierandoholona ny oktobra 2023 ny Jeneraly misotro ronono Ravalomanana Richard rehefa natao ny fomba rehetra nanonganana ny Filohan'io andrim-panjakana io teo aloha Herimanana Razafimahefa. Nisolo an'i Andry Rajoelina teo amin'ny toerana maha Filoham-panjakana vonjimaika rehefa nandeha ny fifidianana feno safotofoto ny faran'ny taona 2023. Voasokajy ho Filohana andrim-panjakana nisetrasetra tao anatin'ny Fitondrana Rajoelina, ka ny oktobra teo, dia naongana tsy ho Filohan'io andrim-panjakana io rehefa voalaza ho isan'ny fototra tena nampirefotra ny krizy, nanome vahana ny hetsika sy ny fijoroan'ny tafika, teo anatrehan'ny baiko sy fitsabahana tamin'ny mpitandro filaminana, ka nisian'ny herisetra sy habibiana samihafa. Filohana Antenimierandoholona faharoa niongana tsy ho filoha sady niongana tsy ho loholona tao anatin'ny taom-piasana iray. Filohana andrim-panjakana fahaefatra niongana ihany koa satria efa nisy ny fanonganana an-dRtoa Christine Razanamahasoa tsy ho Filohan'ny Antenimierampirenena ny faramparan'ny taona 2024, nifanohy tamin'ny fanonganana an'i Herimanana Razafimahefa. Vao tsy ela ihany koa ny fionganan'i Tokely Justin, rehefa nirsimbadika ny rivotra politika. Efa iray volana eo sisa dia ho tapitra tanteraka ny taom-piasan'ny loholona saingy tsy tratry ny farany izany Atoa Richard Ravalomanana sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy, ity farany izay tsy hita popoka hatreto. Asa manao ahoana ny eny amin'ny Antenimierampirenena satria misy depiote tsy hita intsony toa an-dry Naivo Raholdina, Lanto Rakotomanga, Tinoka Roberto, Rahantanirina Lalao,...
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

mba tsy ho voafandrika

Card image cap
17-avril-2026

izany ny Filohan'ny fanavaozana, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
17-avril-2026

Fiantsoana ny tafika hikomy,

Card image cap
16-avril-2026

Nilatsaka ny didin'ny Minisitera ny Atitany

Card image cap
16-avril-2026

tao anatin’ny 48 ora...

Card image cap
16-avril-2026

Tsy ho vita ao anatin’ny 5 volana ny

Card image cap