airtel

Politique

07-juil-2025

Antenimierandoholona

Nosoloina mangingina ny ketsora

Sample post image

Voafidy ho kestora vaovao eo anivon’ny antenimierandoholona ny loholona Seramila Avizara Mino

07-juil-2025

raha ny fampitàm-baovao voaray ny sabotsy teo. Nisy avy hatrany ny fanovàna teo anivon’ny biraon’ny lapa maitso, araka izany ka ity loholona voalaza teo ity no hisolo ny toeran’ny loholona Fernand Eddie Serge. Araka ny voafaritry ny sata mifehy ny antenimierandoholona sy taorian’ny fangatahan’ireo loholon’i Madagasikara dia natao ny fifidianana ho fanavaozana izay toeran’ny kestora izay. Kandida tokana ity loholona voafidy tao Antsiranana tamin’ny anaran’ny vondrona politika IRMAR ity ary nahazo vato miisa 13 tamin’ireo mpifidy 18. Nialohan’izao moa dia mpampakateny teo anivon’ny kaomisionin’ny vola sy toekarena ary fampandrosoana maharitra no andraikitra notanany ary mpikamban’ny kaomisionina momba ny lalàna ihany koa. Tsy nisy fanazavana ny tena anton’ny fanovana, fa karazan’ny fanoloana mangingina aloha no azo handraisana azy…
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

Madagasikara avela manapa-kevitra!»

Card image cap
10-févr-2026

Rajoelina tany Eswatini ireny!»

Card image cap
10-févr-2026

ireny no tsy maintsy hamadika!»

Card image cap
09-févr-2026

miangavy ny Filoha handray andraikitra,… »

Card image cap
09-févr-2026

fanadihadiana ataon’i Maurice »

Card image cap
09-févr-2026

Malagasy mafy ny fihetsik'i Eswatini

Card image cap